Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 03h57
 

Malagasy

Delestazin’i Jirama

Maivan-danja ny serasera

vendredi 9 novembre 2007 | Naivo kely

Fitaovana raitra isan-karazany no tonga eto Madagasikara izay handrafitra ny fahazoan’ny Malagasy angovo ampy mifanahaka amin’ny filan’ny mpanjifa. Ny ministry ny angovo teo aloha Patrick Ramiaramanana, dia nanambara fa ny fioatombohan’ny taona 2008 no fanamby napetrany fa hanafoanana iray manontolo ny delestazy, ary nanome fanamby fa raha tsy tanteraka io, dia vonona hizaka ny teny nomeny. Manao zavatra tsy mora, kanefa ny vola miala ampaosin’ny isan-tokantrano koa tokony ho tandrovina. Jiro tapaka lava mandritra ny ora maro no mitranga eto andrenivohitra. Ny any amin’ny faritra hafa toan’i Antsiranana izay vao notokanana vao haingana dia io mampijaly ny mponin’Antsiranana io. Ny atsy Maevatanana dia heno fa miaina ao anatin’ny haizina nandritra ny vanim-potoana naharitra ary maty antoka tanteraka ny vahoaka sy ny mpandraharaha any. Inona no tsy hanazavan’ny teknisianina ao amin’ity Jirama ity ny mbola tsy mampandeha ara-dalana ny herinaratra amin’ny faraitra maro ? Mbola manao ny fotondrafitr’asa ve sa lainga nafafy fotsiny ireo fitaovana nambara fa efa eto ? Eto dia azo hambara fa maivan-danja ny serasera ao amin’ity sehatra ity, ka tsy sahy manambara ny tontolo misy ao amin’ny Jirama.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS