Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 06h31
 

Teny zato, kabary arivo

Vola baoritra

samedi 3 novembre 2007 |  681 visites  | Naivo kely

Dify ilay fotoana nampiheritreretan’ny fiombanan’ny mpanohitra mba hamalian’ny fitondrana ilay heveriny fa marimaritra iraisana izay be mpitaky ny hanovana ny lalam-pifidianana sy ny hanaovana bileta tokana ary ny sehaytra hafa ivelan’ny fanjakana no hamaritra sy hitantanana ny fifidianana. Rano araraka andamosin-gana hatrany no setrin’ny fangataham-pihaonana sy izay mba soson-kevitra naron’ny mpanohitra. Tsy handray anjara amin’ny fifidianana ry zalahy sy zavavy rehefa manao be marenina ny eo amin’ny fitondrana, izay azo adika avy hatrany fa vola baoritra tsy hampiasana saina ny hevitry ny sasany raha izay fiziriziriana amin’ny hevitry ny fanjakana izao no jerena. Mbola hisy ve izany mpanohitra izany atsy ho atsy ? Io no mby ao antsain’ny rehetra raha mandinika ireto tarehin-javatra ireto. Firy amin’izy ireo no mba afaka hitondra ny feon’ny vahoaka etsy amin’ny Antenimieram-pirenena ? Iza ny antoko politika mbola sahy hivazavaza manoloana ny tsy rariny mety hiseho, satria izay mba nanagam-bovona moa tsy fonja no sakaizany ? Ny mpanohitra milaza ho tena manohitra toa tsy miray hevitra fa samy mitady ho lohany avokoa ka na ny fitambarana amin’ny sehatra iray toy ny fifidianana aza samy maka ho azy. Izao mbola tsy handray anjara amin’ny fifidianana indray ry zareo, tsy midika ve izany fa handeha ilay ity firenena ity ? Mampalahelo ny asa fanoherana eto amintsika fa toa ny fitadiavan-tseza no manjaka, ka na ireo namana mba nitolona ary tafiditra amponja noho izay hetsika izay aza toa tsy mba nisy mpanati-bary akory ry zalahy ireo. Sa izy no te-ho voagadra ?

Samia misaina fa mbola lavitra ny tolona sy ny fampandrosoana ka na ny andaniny na ny ankilany dia samy ahatsapa fa miodina ity tany ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS