Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 16h43
 

Malagasy

Trakita hafahafa

Hosoram-potaka ny PDS

vendredi 9 novembre 2007 | Naivo kely

Tsikaritra omaly teny Mahamasina sy Ambanidia fa nisy trakita vitsivitsy naparitaka izay manome endrika ratsy ny PDS Hery Rafalimanana rano ray no voalaza ao anatiny. Nokilasiana ho toy ny fahavalom-pirenena ny asa vitan’ity PDS ity tao anatin’izay sivy volana izay, ary ny tena loza dia ny fahitana tao anatin’io taratasy namparitaka io ny fanompana vary raraka an’ingahy PDS. Fifidianana no ataontsika ny alarobia 12 Desambra, kanefa efa hita sahady ny endriky ny tsy fahazakana izay vokatra hivoaka eo. Inona no tetika atao amin’ny fanosorana maloto kandida tahaka izao ? Aposahy ny hevitra, ary ialao ny fandemen-tsaina isan-karazany, fa renivohitra iray no hasandratra, ka tsy ny fanaratsiana an’i Hery Rafalimanana amin’ny trakita tahaka izao akory no afahan’ny hafa handrombaka ny fandresena. Ary mba manao ahoana ny sazin’ny mpanoso-potaka tahaka io nitranga omaly io ? Hatreto dia azo antoka fa hafana ary ahitana ny tsy fahita ny fampielezan-kevitra ho atao, ary mila mahatanty sy mizaka dien’izao ireo kandida satria ny mpamendrofendro tsy ilaozan’ny vanim-potoana tahaka izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS