Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 04h32
 

Malagasy

Vidin-tsolika eran-tany

Aiza ny aro-riaka ho an’ny vahoaka

mercredi 7 novembre 2007 |  368 visites  | Naivo kely

Miandry izay higadonan’ny sondro-bidy eo amin’ny barilan-tsolika mahatratra 100 dolara ny Malagasy, izay azo vinavinaina fa hampitondra ny mangidy eo amin’ny isan-tokantrano. Tsy isika eto Madagasikara ihany no mizaka izany fa maneran-tany, kanafa tsy mitovy velively ny fiatraikan’io any ivelany sy ny eto Madagasikara. Manana ny ampy eo amin’ny ho enti-manana ny firenena maro eran-tany ka tsy hampihetsika firy ny ao ambilaniny sy ny tahiriny izany, satria ambony ny mari-karama azon’ny mpiasa tsirairay. Ny eto Madagasikra kosa anefa dia na ny karama iray volana aza zara raha misy handoavana izany hofan-trano izany. Ny Jirama miakatra 15%, ny ekolazin’ny mpianatra tsy maintsy efaina, ary raha marary tsy lazaina intsony fa dia ny fasana angamba sisa andrasana. Iza no tsy miaiky fa zara raha misakafo ny 80% ny gasy ? Eo no hisarihana ny mpitondra fanjakana mba hanisy aro riaka haingana ho an’ny vahoaka Malagasy indrindra ny PPN mba hialana amin’ny mety ho endrim-panararaotana ataon’ny olona sasany indrindra fa ny mpivarotra. Sa vitan’ilay filazana hoe mila miafy isika ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS