Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 08h05
 

Malagasy

Kolontsaina

Ny vola hatrany no manjaka

vendredi 2 novembre 2007 | Naivo kely

Tsy asiana sasiny fa tonga dia vavany, iza no afaka hampandroso ny kolontsaina sy ny zava-kanto eto Madagasikara ? Dia isika rehetra no miara-mamaly izany. Harena sarobidy tsiriritin’izao tontolo izao ny kolontsaintsika zay heverina fa azo trandrahana tsara hampidirim-bola ho an’ny tanindrazana, ary hanome lanja eo imason’izao tontolo izao, saingy izay ve ny zava-misy ? Kolontsaina tsy miparitaka eny anivon’ny fiaraha-monina samy mampanjaka ny heveriny fa maha-mety azy ny tsirairay, hany ka zara raha mipaka any an-tsain’ny maro izay natao. kolontsaina tsy ampy serasera, satria samy mihevitra ny rehetra fa na atao io na tsia dia tafapaka any amin’ny rehetra ny tanjona ? Kolontsaina Malagasy firy no be mpahafantatra hatramin’izao ? Taiza no niaingan’io, ary iza avy no faritra mampiasa izany fomba amam-panao izany ? Ny tena mampalahelo, dia raha hankalaza ny « Oktoberfest » fanao isan-taona ry rainiboto, vahoaka sesilany no manatrika izany, na dia ao anatin’ny ora maro aza no hanaovana io. Midika io fa tafita any amin’ny maro ilay foto-kevitra, satria ampy ny ho enti-manana hankalazana izany. Vitan’ny hafa koa nahoana no tsy ho vitantsika ? Kolontsaina vahiny toy ireny, dia hita fa maro ny mpitondra fanjakana manatrika ny fanokafa, saingy raha ny hain-teny sy soratra no hankalaza ny taom-polo nijoroany, moa mba firy ny manam-pahefana hanatrika izany ?

Ministra vaovao io no mitondra sy hisahana ny kolon-tsaina eto an-tanindrazana, izay andrasan’ny maro ny fanovana goavana entiny hampivoatra io sehatra iray, ary ingahy Patrick Ramiaramanana raha nihaona tamin’ireo ministera roa izay natambatra ho iray tantaniny tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena ny alarobia teo, dia nanipika fa mila kolontsaina mivaingana, ary aharitra apetraka eto fa tsy sanatria kolontsaina hisavoan-danitra ka afaka fotoana fohy dia hanjavona. Inona io fiovana hampisongadinana ny fanatanjahantena sy kolontsaina kasain’ingahy ministra ho hita ato ho ato io ? Miandry ny fahaiza-manaony ny rehetra ka mahareta kely fa tsy hamotika isika fa hiara-hanarina ny tanindrazana, fa tsy sanatria ho atobaky ny any ivelany ny vola hanjaka eto ka ny azy ireo indray no ahazo vahana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS