Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 20h31
 

Malagasy

Andry Rajoelina

Kandida vonona ary sahy !

lundi 5 novembre 2007 | Naivo kely
Rajoelina Andry mivady.

Hentitra ingahy Andry Rajoelina nanambara imason’ireo olona nasainy tetsy amin’ny Carlton Madagascar ny sabotsy lasa teo izay nilazany fa hilatsaka ho Ben’ny tanàna eto andrenivohitra ny tenany, ary Ben’ny tanàna ho sahy fa tsy sanatria ho kanosa. Tsy kandidan’ny mpanohitra na ny mpomba na ny antoko politika izy fa an’ny tanora sy ny Malagasy rehetra.

« Antananarivo maoderina no tanjontsika, ary apetraka ny fanamby amin’ireo fotodrafitr’asa isan-karazany mifanentana amin’ny filan’ny vahoaka amin’ny fiainana andavan’andro ». Voatsiahy tao anatin’io ny momba ny paompy izay mampitaraina ny rehetra ankehitriny, izay asiam-pandinihina ny momba ny fandoavam-bola misy ankehitriny. Ny fampianarana sy ny fandriampahalemana, ary ny tsena sy ny fiara mpitatitra olona. Lamina tsara rindra no ezahana hisy eto, ary vonona ingahy TGV amin’ireo satria tsy maintsy hatsaraina ny farim-piainan’ny tsirairay. Miantso ny « Tanora Gasy Vonona » ity kandida ity mba hifanome tanana, satria ampy izay ny sakatsakana rehetra. Ny politika aminy dia tsy ady, fa fihainoana, fifanajana, fisokafana. Ny fandavana ny fifanankalozan-kevitra dia midika ho fandavana ny fandrosoana. Tsy afaka hitazam-potsiny ireo ny lehilahy ka io nirotsaka io. Rehefa reraka amin’nyfifidianana izany ny antoko politika dia miaka-tsehatra ny mpandraharaha hanome lanja ny sehatra tahaka itony fifidianana itony.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS