anana izay ho ataontsika amin’ny 12 desambra izay hanjakan’ny tanora sy olom-baovao ny sehatra raha ny andrenivohitr’i Madagasikara no asian-dresaka. Andry TGV, Hery Rafalimanana, Marc Ramiaranjatovo ben’ny tananan’Alasora izay hirotsaka eto andrenivohitra. Ireo no nanao fanambara tao anatin’ny faran’ny herinandro teo hiady ny amboara eto Iarivo. Toko telo tsy mifameno ireo fa mifanipaka, satria tsy hisy hifampitsitsy na eo amin’ny vava avoaka na ihany koa eo amin’ny resaka ara-bola sy fitaovana. Anjaran’ny kandida ny mampidera izay hananany, saingy ny vahoaka no tompon’ny latsa-bato farany ao amin’ny trano fisainana, ka izay no hilazana fa hangotraka ny fifaninana eto, raha noheverina fa andeha ila izy tany aloha. Ny mety hanafintohina ny mpitazana, dia ny hoe afaka haneho ny heviny malalaka ve ny tsirairay, sa hisy teritery toy ny hita hatramin’izay ?
Toko telo
lundi 5 novembre 2007 | 538 visites |