Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 06h07
 

Malagasy

Zoky sy zandry

Mifanohana ny zanak’i Dada

jeudi 15 novembre 2007 |  679 visites  | Naivo kely

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny filohan’i Rec TIM eto Analamanga izay nanambara fa manohana ny TIM rehetra eto Analamanga, ary amin’ny maha-ben’ny tanàna azy teo aloha teto an-dRenivohitra dia manohana an’i Hery Rafalimanana. Tsy asiana ady hevitra fa miteny ho azy ny zava-bita tao anatin’ny sivy volana izay hita fa tafapetraka ny fitohizan’asa teo amin’ireo ben’ny tanàna nifandimby. Niainga tany amin’ny ben’ny tanàna Marc Ravalomanana, niampita tamin’i Patrick Ramiaramanana, ary io hiarahana mahita io no ezaka nataon’i PDS Hery Rafalimanana.

« Zoky sy zandry izahay, hoy ingahy Ramiaramanana, ka tsy maintsy manohana azy amin’ny herinay manontolo izahay, aoka hivalona hatreo ny hevitry ny hafa hoe iza no hotohan’ny ben’ny tanàna teo aloha ». « Manga ny lanitra eo aminay roa tonta », hoy ihany ny filohan’ny TIM Analamanga.

Ny kandida Hery Rafalimanana kosa dia nanipika mazava fa porofo izao fa matanjaka ny TIM ary mifanohana izahay , satria samy zanak’i Dada izahay roalahy ka rariny raha mifanome tanana. Vonona ny hanohy ny ezaka vitan’ny teo aloha aho, ary tsy hitsahatra ho fampandrosoana ity renivohitra ity. Ny tso-drano nataon-dRamiaramanana omaly iny dia azo heverina fa vao mainka hery lehibe ho an’i PDS satria hita fa mpirahalahy mianala samy nahavita teto an-dRenivohitra no mifanampy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS