Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 06h08
 

Malagasy

Fivorian’ny Antenimiera

Hilahatra ny mpiasa

mardi 23 octobre 2007 | Naivo kely

Voaangona ny sonia amin’arivony nataon’ny mpiasa malagasy ho fanoherana ilay fampitomboana ilay 48 ora isan-kerinandro. Nahena ihany ho 15 andro ihany koa ilay 30 andro ho fialan-tsasatry ny mpiasa isan-taona. Io no tsy eken’ny rehetra, izay zo fototra hananan’ny mpiasa malagasy ny mahazo fialan-tsasatra araky ny tokony ho izy. Ny karama tsy miakatra ny vidim-piainana io hiarahana mahita io, kanefa toa teren-komasaka toa voalobo-java ilay ora hiasana. Hiainga etsy amin’ny Fisemare Ankadifotsy manomboka amin’ny 9 ora ireo mpiasa hanatitra izany etsy Tsimbazaza, mba asian’ireo depiotentsika fandinihana lalina, izay azo antoka hoy ny mpiasa fa tsy hanao ny làlan-dririnina toy ny teo aloha intsony ka ho zatra ny tsangan-tanana fotsiny ireo olom-boafidin-tsika ireto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS