Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 11h01
 

Malagasy

Otrikafon-dRajaonah

Kivy amin’ny fiverenan’i Sylla

jeudi 25 octobre 2007 | Naivo kely

Gaga sady nalahelo izahay « Otrikafo » raha nahita fa tafaverina eo amin’ny fitondrana i Sylla hoy ny filoha mpitarika ity fikambanana ity dia ingahy Rajaonah izany. Inona no fifanarahana vitantsika tamin’i La Frantsa no tsy maintsy hapetraka hitantanana ny fiainam-pirenena ny zanany ? Toa tsy voahaja ny fiandrianam-pirenena raha izao no hita satria mbola mandidy eto ny Frantsay. Nasian’ity fikambanana ity resaka tamin’io fihaonany tamin’ny mpanao gazety io omaly ny momba ny tsy nankatoavan’ny Praiministra Sylla fony izy teo amin’io seza io momba ny lalàna momba ny teny Malagasy napetraky ny Akademia Malagasy.

Ny 65% ny toe-karena dia mbola hanjakan’i reny malala ary nahazo vahana io fony izy Praiministra farany teo. Tsy eken’ny « Otrikafo » ny filazana fa ny baolina maty no hitsarana ny rehetra amin’ny asa ataony. Ny fiainam-pirenena dia tsy azo hampitahaina amin’ny lalao baolina kitra ka angalana mpilalao maty hanina any ivelany, hatreto dia Malagasy maty no misy fa tsy baolina maty, hoy ihany ingahy Rajaonah.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS