Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 16h28
 

Malagasy

Mitsipaka an-dRavalo ny Teza

Saingy mbola mialokaloka i Moxe

mardi 30 octobre 2007 | Naivo kely

Ny fiainam-pirenena tsy hananankavana, ary izay voasoratra aoka tsy ho dikaina. Io no fanambarana nataon’ingahy Moxe Ramandimbilahitra izay mpanolon-tsaina manokan’i Filoha Ravalomanana raha nivahiny tao amin’ny fandaharan’i Aceem Radio ny alahady lasa teo. Efa ela no nametrahan’ity antoko ity ny tsy tokony hanomezana fiara 4X4 ny solombavam-bahoaka, izay miteraka fandaniana eo amin’ny kitampom-polam-panjakana. Ny filohan’ny Repoblika kosa anefa dia manana ny fahefana feno amin’ny heveriny hitondrana ny firenena ka izay ataony dia azy. Ny Teza dia tsy manana fifamatoarana amin’ny filoha Ravalo, fa ny fampandrosoana no hiraisana ka raha mahita ny firafitry ny andrim-panjakana maro samy hafa isika, dia ny TIM no mitazona ny isa betsaka ary rariny raha mametraka ny politika maty paika hitondrana ny tanindrazana tsy hiarahany amin’ny hafa izy ireo. Tsy hitomany toerana amin’ny fitondrana ny TEZA, saingy hatreto dia mbola mametraka ny marimaritra iraisana amin’ireo izay vonona ny hanatanteraka ny MAP, izay tarigetran’ny filoha Ravalomanana ao anatin’ny dimy taona. Mametraka fanakianana ity antoko heverina fa mpiray donak’afo amin’ny mpitondra ity, saingy mbola tsy mahafoy ny fiarahana amin’ny tanjona iraisana amin’ity fitondrana ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS