Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 10h15
 

Teny zato, kabary arivo

Nankaiza ny manam-panahy ?

mercredi 24 octobre 2007 |  800 visites  | Naivo kely

Gina tsy nahaloam-peo ny maro raha nandre omaly fa depiote 123 amin’ny 124 no nanome ny fitokisany ho an’ny Praiministra teo aloha hitondra mandritra ny 4 taona ny Antenimieram-pirenena etsy Tsimbazaza. Ny nanesorana azy tsy ho Praiministra intsony ve efa nomanina ny tetika fa hafindra ho filohan’ny Antenimiera sa tsy misy olo-manga afaka hitondra io sehatra io tao amin’i TIM ? Fa nankaiza ny manam-panahy rehetra no tsy sahy mitana andraikitra goavana eo amin’ny fiainam-pirenena ? Vita iny ny fametrahana olona ka any amin’ny fananganana ny rindrina indray ny mason’ny mpanara-baovao rehetra, satria ny ngeza lahy rehetra izao no mitondra ny baolina, ary ny hafa efa tsy misy sahy mitsipaka. Koa samia manantena ry vahoaka fa tsy ho ela ny tena fiadanana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS