Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 14h27
 

Malagasy

Tonta no avadibadika

Hitondra inona i Sylla ?

mercredi 24 octobre 2007 | Naivo kely

Nanjakan’ny fotokevitry ny TIM tanteraka ny lapan’ny Antenimieram-pirenena, satria na ireo heverina mba hany tsy miankina hampifandanja ny ady hevitra ao an-dapa aza nanara-drenirano tanteraka. Tsy nisy sahy nilatsaka hifanandrina amin’ingahy Sylla ireo akanga sisa nanamborana tafiditra ao Tsimbazaza, ka ny fanohanana ny olona natolotry ny TIM indray no nafotaka. Misy amin’ny antoko mpanohitra anefa ireo depiote lany ireo, saingy tsy sahy nanome endrika ho mpifaninana na dia mihevitra aza fa tsy ho lany. Ny tena mahatalanjona dia tany hambara ho demokratika toan’i Madagasikara no indro fa milofika ny foto-kevitra entin’ireo olona natao hitondra ny feon’ny vahoaka, ny sasany aza efa niditra ho TIM sahady nefa tsy miankina no nilatsahana ary nanaratsy tanteraka izao fomba fiasan’ny fitondrana izao fony nanao ny fampielezan-kevitra. Famitahana ny mpifidy io sa tetikady mba ahazoana ny fandresena ?

Hita taratra manomboka omaly ny endrika eny Tsimbazaza fa dia handeha ila ny raharaha. Didin’ny maro an’isa dia lany izay lalàna tiana atolotra, satria ny latsa-bato miafina nandaniana an’i Sylla aza tsy nisy sahy nanao vato fotsy afa-tsy iray monja.

Hitondra inona i Sylla ? Hitondra aina vaovao ho an’ny firenena sa handemy ny tsy mitovy hevitra aminy ? Mbola tsy afaka ao an-tsain’ny rehetra ilay teniny fony izy Praiministra ka nifanehitra tamin’ny depiote nanao hoe tsy « crédible » ianareo mpanohitra, ary samy nahatsapa ny zava-nisy tamin’izany izay nahazo ny mpanohitra ny rehetra. Mbola maro ireo mpitsoam-ponenana any ivelany hatramin’izao momba ny 2002. Matoa anefa niverina nandray fahefana ity olona ity, dia ao ny fahatokisan’ny filoha Ravalomanana azy, ary ho tsaraina amin’ny asa vitany ity olona tonta lasa vaovao ity eo amin’ireo lalàna goavana ho laniana eny an-toerana, ary mba tsy ho raraka an-tany ny fahatokisan’ny hafa nametraka azy eo amin’io sehatra io.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS