Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 06h31
 

Teny zato, kabary arivo

May volo tratra

samedi 27 octobre 2007 |  672 visites  | Naivo kely

Hiseho avokoa ny ratsy rehetra eny ambany tanàna amin’izao vanim-potoanan’ny fahavaratra izao, izay faritra heverina fa mitondra ny mangidy indrindra na io fahavaratra na ihany koa lohataona noho ny fahantrana mianjady amin’ny mponina eny. Trano tsizarizary, ny rano maloto miakatra hatrany an-trano rehefa milatsaka ny orana, ny lava-piringazara raha misy hanaovana maloto, ary mbola faritra ahitana ny totankely maro samy hafa ihany koa. Hiroso tsy ho ela amin’ny fampielezan-kevitra isika eto Madagasikara, ka isan’ny hanao izany ny eto an-drenivohitra izay misy ireo faritra iva maro samy hafa. Ahita ny olana eny an-toerana ireo kandida mpifaninana, koa enga anie mba tsy ho lasa fitaovana ho fanangonana vato fotsiny ny fahoriam-bahoaka toy ny fahita hatramin’izay. Ny tsapa aloha dia mahalala ny mpanao kobaka am-bava ny vahoaka madinika ka na iza ho may volo tratra mitetika ny hanjono ny safidim-bahoaka dia ho very maina iza

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS