17 taona tokoa izay, no nankalazaina ny andron’ny 3 may, andro iraisam-pirenena ho amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eran-tany, ary tsy vao ela isika eto Madagasikara no nanamarika izany indrindra moa ireo mpanao gazety Zokiolona, izay mihetsiketsika fatratra tokoa manao izay ho afany amin’izany fankalazana izany manaitra ihany koa ny tompon’andraiki-panjakana amin’ny fahitan’izy ireo ny fihemoran’iny fahalalahan’ny mpanao gazety Malagasy.
Nandritra ny fankalazana omaly tetsy amin’ny CITE Ambatonakanga no nahenoana tamin’ireo mpanao gazety fa ny taona 1995/96/97 no tena hita soritra sy niainana izany fahalalahana teo amin’ny asa izany. Ny Zokiolona mpanao gazety aza moa dia nanamarika fa tao anatin’ny 3 taona kosa no tena voatohintohin’ny fanjakana izany fahalalahana izany.
Iza no matahotra ny filazana ny marina ?
Fanontaniana mipetraka io amin’izao fotoana. Rehefa nisy ve ny nilàna ny mpanao gazety tamin’ny fotoan’androny dia nandaniana vola be tokoa ny fiaraha-miasa tamin’izy ireo.
Ankehitriny, manohina ny tombotsoa manokana izy ireo, hany be hampihorohona imasom-bahoaka. Iza marina no matahotra ny fanehoana ny marina e !
Ho antsika mpanao gazety, mijoroa marina ka asehoy fa tsy matin’ny felaka isika ary tena matihanina tokoa. Ka ho tsapan’ireo mpanenjika fa tsy kisendrasendra velively no naha mpanao gazety antsika.