Nandritra ny fanehoan-kevitr’Atoa Herizo Razafimahaleo teo amin’ny fahita lavitra iray eto an-drenivohitra tamin’ity herinandro ity dia « fanimbana ny tantara sy ny saim-bahoaka ny filazana matetika fa iray ihany isika Malagasy ». Naneho ihany koa ity Kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo iny fa ny fanaovana politika teto Madagasikara hatrizay mihitsy no mahatonga ny olona tsy mahafantatra marina ny hevitry ny politika. Rehefa misy ihany koa hoy izy, olona na antokon’olona mila na mitady tombotsoa manokana dia dradradradraina ny maha iray ny Malagasy, nefa kosa rehefa mahita izy ireo fa milamina ny tanàna dia maneho tsy fitoviana marin-drano eo amin’ny fanatanterahana ny andraikitra ambony, indrindra eo amin’ny fanendrena ireo mpiasam-bahoaka ambony eto amin’ny firenena.
N’aiza na aiza eran-tany hoy ihany Atoa Herizo Razafimahaleo dia tsy misy firenena hoe « iray sy mitovy izany avokoa ny fomba amam-panao ao anaty firenena iray, saingy ny fahaizan’izy manambatra ny heriny ho iray no niteraka ny fahombiazana ao anaty ny fahasamihafana ».
Sao tokoa lahy ny fijerena mahitsy ny zava-misy marina eto amin’ny firenena no vahaolana, fa tsy ny fampandriandriana resaka lava izao.
« Soa kenda hahay hamindra e ! »