Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Malagasy

Fihetsiketsehana

Tsy vahaolana ny fisamborana

jeudi 3 mai 2007 | Naivo kely

Maro ireo ankolafin-kery sy olona ankehitriny no miantso fifampidinihana manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena. « Tsy vahaolana ny fisamborana », hoy ny fanambarana heno avy amin’ny maro. Tsy vitsy ihany koa ireo maneho hevitra fa vao maika maha-sarotra ny toe-draharaha ny fampiasana herisetra na avy amin’ny andaniny na ny ankilany izany. Tsy tokony ho hamavainina velively ny fitakiana ataon’ireo mpianatra hoy ireo parlementera maromaro nandritra ny fisokafan’ny fotoam-pivorian’izy ireo tamin’ny Talata lasa teo. Matoa mihetsika izy ireo, misy antony ao, koa aoka ny famahana olana miaraka no atao vain-dohan-draharaha hoy ihany izy ireo. Raha ny tantara teto amin’ny firenena tokoa no atao jery todika, tsy nahitana vahaolana velively ny fisamborana ny mpanao fihetsiketsehana, toa maika aza mampiakatr’afo izany. Toa zary mihenjan-droa aza ny tady ankehitriny koa manahy ny maro ny amin’ny mety hampitatra ny raharaha raha tsy misy tokoa ny fifampidinihana. Fifampidinihana an-kitsipo anefa no ilaina, koa iza re no tena afaka hifampidinika amin’ireo andaniny sy ankilany, hoy ny mpanara-baovao ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS