Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 17h38
 

Malagasy

Delestazy ao Toliary

Tonga omaly ireo fitaovana matanjaka

lundi 30 avril 2007 | Naivo kely

Omaly alahady no nigadona tao Toliary ny milina manome herinaratra mahatratra 850 MW hanome herinaratra any an-toerana, ary mbola hisy masinina hafa ihany koa hanaraka ato afara miaraka amin’ny kojakoja samy hafa hanampy ireo. Io no nambaran’ny ministry ny Angovo Patrick Ramiaramanana manoloana ny fahasimban’ny fitaovan’ny Jirama ao Toliary.

Fahavoazana ara-teknika no mitranga any amin’ity faritany ity ka tsy maintsy vaha-olana ara-teknika no atao, ary ho vahana haingana ny olana. Efa any an-toerana koa ny Henri Fraise manampy ny Jirama manarina ny fahavoazana, ary efa hita avokoa ny fahavoazana amin’ireo milina any Toliary ka efa misy ny fanafarana ireo piesy vaovao hanamboarana ny simba.

Manao antso amin’ireo mpianatra izay manao fihetsiketsehana any amin’io faritra io ny ministra mba ho tony satria efa eo an-dalam-panarenana ny Jirama ka io herinandro hitsidika io dia efa ahazo fahazavana ny any an-toerana. Manoloana ny resaka miely etsy sy eroa kosa milaza fa mety ho sintahan’ny fanjakana ny Jirama, ka izany « Tiko energie » no handray azy, dia nohamafisin’ny ministry ny Angovo fa tsy mitombina izany. Ny filoham-pirenena no efa nanamafy fa fananam-panjakana io, ka tsy maintsy mijanona amin’ny fanjakana. Ny fanjakana ankehitriny dia efa manafatra fitaovana maro hanarenana azy io, ka mahareta fa tsy maintsy tafarina ity fananam-panjakana ity, satria izay fanarenana izay tsy vita indray andro. Raha ny fahasimban’ny fitaovana maro manerana ireo tobin’ny jirama eran’ny Madagasikara dia manahy ihany ny rehetra sao misy manao mpamosavy malemy ny mpiasa sasany ka minia manimba ny fitaovana, ary eo no anararaotan’ny sasany ny hetsika politika, satria toa tsy mampino hoy ny maro ny ahitana fa indray simba tao anatin’ny fotoana fohy ny fitaovana rehetra ary nihe-tsika avokoa ny mpianatra manerana ny oniversite rehetra. Ny ahiahy hono tsy hiavanana, ary soa aloha fa efa manomboka mivaha ny olana hialana amin’ny korontana mety hiteraka fifandonana eto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS