Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 14h38
 

Teny zato, kabary arivo

Very fihinanana

mercredi 2 mai 2007 |  243 visites  | Naivo kely

Nahavariana ny maro ny nahita ireto depiote avy amin’ny lafy valon’ny Nosy tonga maro be teny Tsimbazaza omaly niatrika ny fotoam-pivoriana voalohany tamin’ity taona ity. Nahagaga hoy izahay satria toerana babangoana hatrany no hita hatramin’izay nandritra ny fotoam-pivoriana tao an-dapa, ka velona ny fanontaniana hoe fa nisy inona no namaly ny antso avokoa ny rehetra ? Tsotra ny valiny, satria ity no fotoana farany hiakaran’ireo depiote ao amin’io lapa io, noho ny fahataperan’ny fotoana maha-olom-boafidy azy ireo. Manomboka miatra ihany koa ny fitsipikin’ny lalam-panorenana vaovao ka izay tsy tonga mivory dia ho tapaka ny tambin-karaman’izy ireo. Ho maro ny ho very fihinanana raha toa ka mivanga-bao eo ary dia io hiarahana mahita io ny fahatongavan’ny rehetra miatrika fivoriana. Midika io fa ny vola no mibaiko ny rehetra ka raha mbola gaboraraka toy ny teo aloha ny fanomezana vola ho an’ireo tsy tonga mivory, dia aza gaga isika raha tantely afa-drakotra hatrany ny fananam-panjakana, ary zara raha vita ny andraikitra napetraky ny vahoaka amin’itony olona noheritreretina fa hitondra ny feon’ny itony. Koa tsara sa ratsy ilay lalàm-panorenana raha izany ? Hatreto ihany koa dia hita fa voafehin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena Razakiniriana Mahafaritsy tanteraka ny andraikitra maha-filoha azy, ka na ny fahitana ireo depiote tsy mitovy firehana aminy nanambara omaly fa hifanohana aminy ve tsy efa midika fifanomezan-tanana hampandroso ity andrim-panjakana ity ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS