Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 13h49
 

Teny zato, kabary arivo

Ampiharo ny lalàna

lundi 7 mai 2007 |  259 visites  | Naivo kely

Vita iny ny fitsapan-kevi-bahoaka, izay nambara fa lany tamin’ny isam-bato mavesatra raha mitaha amin’ny TSIA mpifaninana amin’ny ENY. Raha vao mivoaka amin’ny haino aman-jery izy ity dia manan-kery avy hatrany fa tsy miandry izay avoakan’ny gazetim-panjakana toy ny mahazatra hatramin’izay.

Hatreto anefa dia toa misy ny azo hampiharina miaraka amin’ny vava sy ny tsy azo atao. Isan’io hoy ny mpanohitra ny fisamborana ireo depiote tsy ao anatin’ny fotoam-pivoriana toy ny tany Toliary ka mbola eny amin’ny mpitandro ny filaminana hatramin’izao miandry ny fotoam-pitsarana azy. Saingy misy kosa ny tsy mbola omena vahana toy ny fanohizan’ny antenimieran-doholona ny asany mandram-paha tonga ny ora tsy voafetra. Toy izany koa ny Filohan’ny delegasiona manokan’ny faritany izay mbola mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny asa amin’ny toerana izay niadidiany teo aloha. Azo hambara amin’izany ny fandaminana ny faritra amin’io hetsika manerana ny faritany io.

Rehefa ho hampiharina anefa ity lalàm-panorenana nasiana fanitsiana ity, toa tokony hiantra amin’ny rehetra, ary mahalasa heritreritra ny maro ny hoe nahoana raha noravana niaraka amin’ny vava ny antenimieran-doholona rehefa tapitra ny fem-potoana hiasany, izay hiarahana mahita ny fandaniana momba ny volam-panjakana mety aterak’ io fitaran’ny fotoam-piasany io ?

Tsy efa tokony hivoaka ao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra ihany koa ve ny daty marina hanaovana ny ambaratongam-pifidianana izay atao eto, toy ny depiote, loholona ary ny ben’ny tanana ? Sa io ilay tafiditra ao anatin’ny 30 volana handaminana sy hametrahana ireo rafitra maro isan-karazany ? Aleo hampiharina mitovy ny lalàna fa na ireo depiote aza anie ka efa noesorina nanomboka ny talata voalohan’ny volana mai teo ny hoe depioten’i Madagasikara e. Toy izany koa ny fahatapahan’ny tambin-karama ho an’ireo tsy tonga mivory. Ity fanitsiana ny lalàm-panorenana ity no antoky ny fampandrosoana ka tsy aleo ve atomboka dien’ny izao sao hiteraka fandaniana indray ka ny taranaka fara aman-dimby no hizaka ny tsy heran’ny aina ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS