Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 13h09
 

Malagasy

Fikambanana « Tambatra »

Hanao fivoriambe

jeudi 10 mai 2007 | Naivo kely

Hanao fivoriambe eto Antananarivo amin’ny sabotsy ho avy izao ny fikambanana « Tambatra » manerana ny Nosy. Fivoriambe voalohany ity hatao ity taorian’ny fifidianana filohan’ny Repoblika tamin’ny faran’ny taona 2006 iny. Misy ifandraisany amin’ny fanapahan-kevitry ny governemanta farany teo nandritra ny filan-keviny amin’ny fanambazana volabe Ariary 100 tapitrisa amin’ireo izay ahazoana vaovao ahafahana misambotra an’Atoa Pety Rakotoniaina izay filohan’ity fikambanana ity sy mpanorina ihany koa no sady ben’ny tanànan’i Fianarantsoa teo aloha ve izao fivoriambe kasaina atao izao ?!! Raha ny mikasika ity fisamborana an’i Pety Rakotoniaina ity, dia heno izao fa efa any Fianarantsoa ireo polisy manokana misahana ny fisamborana sy fampandriampa halemana.

Midika ve izany, fa ao an-tampon-tanànan’i Fianarantsoa ihany Pety Rakotoniaina ?

Raha ity fivoriambe ity indray no jerena, dia amin’iio fotoana io no hinoana fa hanehoan’ny Fikambanana « Tambatra » ny heviny mikasika ny raharaha mafampana manerana ny Nosy sy indrindra mikasika ity volabe ho tambin’ireo hahatratrarana ny filoha mpanorina ity fikambanana « Tambatra » ity.

Ho tratra mialohan’io Sabotsy io ve Pety Rakotoniaina ? Raha eny, hanao ahoana ny fizotran’ity fivoriambe kasaina hatao eto Antananarivo ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS