Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 20h06
 

Malagasy

Fihetsehan’ny mpianatra any Antsiranana

Voasambotra ny telo, hitohy anio ny filaharana

vendredi 11 mai 2007 | Naivo kely

Tsy ahitana filaminana mihitsy ny ao Antsiranana ao satria mpianatra telo indray no voasambotry ny mpitandro ny filaminana omaly maraina. Niainga tao amin’ny Oniversite tao Antsiranana ny laharan’ny mpianatra ary nihazo ny toerana misy ny Lycée Zafy Albert ry zareo mba handrava ny tao amin’ity toeram-pianarana ity. Teo no nisian’ny fifanjevoana satria noraran’ny mpitandro ny filaminana teo anivon’ny EMMO NAT ny filaharana. vokany dia io mpianatra miisa telo io no voasambotra. Rava niaraka tamin’izany ihany koa ny filaharana.

Tsy nipetraka fotsiny tamin’izao anefa ireo mpianatra fa omaly hariva dia nifamory tamin’ny toerana iray ry zareo hijerena ny hanohizana ny filaharana ary koa hanafahana ireo mpianatra voasambotra, ka tapaka nandritra io fivoriana io fa hotohizana anio ny hetsika ho fanafahana ireo mpianatra. Nandritra io fivoriana io ihany koa no nanamafisan’i Jesosy ilay mpitarika ny mpianatra ao amin’ny Oniversite fa tsy manaiky ny fanaovana ôtazy ny mpianatra avy any Antsiranana nosamborina tany Fianarantsoa ny zareo. Noho izany dia mitaky ny hanatsaharana azy io ireto mpianatra ireto.

Fa ankilany kosa, dia hentitra ireo tompon’andraikitry ny filaminana amin’ny ftandrovana ny fandriampahalemana ka nanamafy fa tsy hanaiky velively amin’ny endrika fanakorontanana ataon’ny hafa tsy tia filaminana ry zareo. Noho izany, dia ny fampiharana ny lalàna hatrany no tsy maintsy hirosoana ho an’ireo mihoam-pefy.

Hatreto izany, dia tsy milamina tanteraka ny an-kamaroan’ny faritany noho ny tsy fisian’ny fifampidinihana matotra eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Ka samy maminavina ny ho vokatry ny korontana izao ny rehetra raha tsy voalamina haingana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS