Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 07h54
 

Malagasy

Mpianatra ho dokotera

« Politika famonoana afo »

mardi 8 mai 2007 | Naivo kely

Namoaka fanambarana tamin’ny faha 5 mey teo ny minisitra roa dia ny fahasalamana sy ny fampianarana nilaza fa miatomboka anio ny fandoavana ny « indemnité de stages hospitaliers » ho an’ny mpianatra ho dokotera eny Ankatso. « Indemnités » tamin’ny taona 2006 io aloa anio io.

Izao no azo dia vokatry ny fihatrehina fanairana nataon’ireo mpianatra ho dokotera tamin’iny herinandro iny. Mihetsika mitaky izay anjara « Indemnités » izay tokoa ireto mpianatra ireto vao gaga ny maro, hay mbola tsy voaloa izany « Indemnités » izany izay efa nanaovan’ireto mpianatra ireto fitokonana tamin’ny herintaona. Angaha moa, tsy efa ao anaty teti-bolan’ireto minisitera roa ireto ny fandoavana izany no dia takiana lava toa izao ? !!

Manoloana izany, dia velona ahiahy ireto mpianatra ka nanambara etsy ankilany : « Fa dia atao ankilabao lava izao », ary ihany koa : « manahy ny politikam-pamonoana afo atao amin’izao fotoana fa tsy misy mihitsy ny fiarahana mitady miaraka vahaolana maharitra ».

Ho hita eo ny tohiny fitokonana mety mbola ho hataon’ireto mpianatra ho dokotera ireto, fa raha ny hita teny an-toerana omaly dia tsy mbola afa-po tanteraka amin’ny vahaolana natolotry ny fanjakana izy ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS