Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 12h10
 

Malagasy

Mara Niarisy

« Miditra amin’ny jadona ny fitondrana »

mercredi 2 mai 2007 | Naivo kely

Diso tanteraka ny fitondrana raha manambara fa miketrika adim-poko izahay mpanohitra raha hilaza ny zava-nisy tany Toliara ka nahatonga ny fisamborana ireo namanay nampidirina am-ponja.Ireo no nambaran’ny dépiote Mara Niarisy. Manazava izy : « matoa midina andalam-be tahaka iao ny vahoaka dia misy zavatra tsy zakany ao, toy ny delestazy, sy ny fanoherana ny vokam-pifidianana. Tokony hisy aloha ny fandraisana ny hevitry ny rehetra hoe inona marina no mahatonga izao hetsika andalam-be izao ? Tsy heloka ihany koa ny fidinana andalam-be ka tokony hisy ny fiarahana midika amahana ny olona fa tsy sanatria lazaina lava mpanakorotana sy mpitarika adim-poko ny mpanohitra. Raha ny zava-nisy tany Toliara dia hita taratra fa miditra amin’ny jadona hatrany ity fanjakana ity mba hanampenam-bava ny mpanohitra ».

Fa mifanohitra tanteraka amin’io kosa no voalazan’ny depiote Henri Charles Randriamahefa, satria vonona ny hifanome tanana amin’ny mpitondra ankehitriny ny tenany, izay hambarany fa tsy mamadika palitao ny tenany fa mamadika ny pejy ho amin’ny tombon-tsoam-pirenena, izay himatesan’ny fitondrana ankehitriny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS