Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 23h22
 

Teny zato, kabary arivo

Vita mora

samedi 28 avril 2007 | Naivo kely

Tsy nahataitra firy ny maro ny nandre ny voka-pifidianana momba ny fitsapan-kevi-bahoaka omaly, satria tsy nisy fiovana firy tamin’ny vokatra tetsy amin’ny ministeran’ny ati-tany izy io.

Nandresy tamin’ny isan-jato 75,83% ny Eny ary ny Tsia kosa tsy nisy afa-tsy 24,67%. Na dia maro aza ny fitarainan’ny olona fa misy ny hosoka isaky ny birao fandatsaham-bato, dia vitsy ny porofo sy fitarainana an-tsoratra tonga teny amin’ny HCC, ka ny fepetra izay mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery no tsy maintsy raisiny amin’ny lafin-javatra tahaka izao.

Nisy ny latsa-bato nofoanana toy ny tany Toamasina sy Toliary noho ny fifamadihan’ny isam-bato, ary teo koa ny fotoan’ny fifidianana nandritra ny ora vitsivitsy toy ny tao Moramanga. Vita iny ny famoahana ny vokatra fa ahoana kosa no sazin’ireo nampifamadika ny isam-bato ? Sa avela ho vitavita mora ny toy izao ?

Matetika dia tsy re intsony ny tohin’ny raharaha ho an’ireo olona minia mamadika ny safidim-bahoaka ka zary manome vahana ny halatra amin’ny fifidianana aty aoriana. Nahoana raha saziana toy ireo olona nandoro voka-pifidianana sy nanakorontana ny mpifidy izy ireny, sa avela ho vita mora amin’izao ?

Fanirian’ny rehetra ny hampiharana ny lalàna ho an’ireo zatra ny làlan-dririnina ary vita iny aloha ny referendaoma fa miandry ny vokatra entiny sisa isika mianakavy. Koa rahoviana no ho tanteraka ilay fanontaniana napetraka tamin’ny vahoaka manao hoe « Ekenao ve ity volavola-panitsiana ity lalàm-panorenana ity ho fampandrosoana haingana sy maharitra ny isam-paritra hanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy ? »

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS