Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 14h38
 

Teny zato, kabary arivo

Aiza ny FFKM ?

samedi 5 mai 2007 |  271 visites  | Naivo kely

Io no fanontaniana mipetraka ao ambavan’ny maro raha mahita ny hetsiky ny vahoaka manerana ny faritra maro eto Madagasikara, satria toa tsy misy ray aman-dreny mpiahy intsony ny mety ho fisaraham-bazana eo amin’ny samy Malagasy. Ny poizina handripaka ny mpiray tanindrazana no efa manomboka miparitaka, dia io adim-poko io nefa na manao izay ho afany aza ny mpitondra fanjakana izay ray aman-dreny mpiahy ny Malagasy tsy ankanavaka, dia io hiarahana mahita io ny vokany. Manomboka miakatra any amin’ny tany nilany ravin’ahitra ny mpihavy, ary voaroba ireo tsy mitovy firehan-kevitra. Mahazo laka ny tsy fitiavana foko iray, ka na dia hiniana sarontsaromana aza ireo, dia mety pitin-kafo hampipoaka ny vanja ny tsy fandraisana andraikitra.

Iza io omena andraikitra io ? Efa nanao ny mpitondra ho joro tamin’izay niseho, kanefa toa tsy mahasakana ny mpila sotasota hanao izay tiany atao izany. Ny antso avo etsy sy eroa ataon’ny manam-panahy rehetra izay miantefa amin’ny manan-tsaina, nefa iza no tsy mahatsapa fa mandositra ny mpihavy any amin’ny faritany amin’izao fotoana. Koa raha tsy mahomby ireo, mby aiza ny FFKM, izay lazaina fa ray aman-drenin’ny vahoaka Malagasy ? Sady efa miray donakafo ny fanjakana sy ny fiangonana koa nahoana no tsy ampiana ny fanjakana hamaha ny olana ? To-teny ihany koa ireto ray aman-dreny amam-panahy ireto ka tsy tonga ve izao ny fotoana handaminana ny ondry manerana ny nosy sao mantsy hamaky vala ka ho sahirana eto isika mianankavy.

Raha tojo sarotra hono ny namana, aza avela ho irery fa izao no fotoana ilaina ny nanesorana ny resaka laika tao anatin’ny lalam-panorenana, ka vonoy ny afo mba tsy afobe handoro ny mpiray tanindrazana no hitranga eto amin’ity fihetsiketsehana manerana an’i Madagasikara ity. Koa aiza ny FFKM manoloana ireo ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS