Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 04h03
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy hita fiafarana

lundi 30 avril 2007 | Naivo kely

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao maro ny momba ny filazana fa saika hisy hamono ny filoham-pirenena ny 3 April lasa teo ary efa tratra ireo saika nahavanon-doza. Voalaza fa mpitandro ny filaminana avokoa izy ireo hoy ny resaka mandeha.

Resaka mandeha hoy izahay satria tsy naseho vahoaka toy ny nitranga teny amin’ny FLM teny Ambohibao toy ny nahazo an’i Yvan ity resaka ity. Aleo ny fitsarana hanao ny famotorana hoy ny Praiministra raha nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny tenany. Andro maro taty afara mbola mistery iny raharaha iny na dia nambara aza fa efa maro no voasambotra ary efa manao ny asany ny mpanao famotorana eny anivon’ny mpitandro ny filaminana. Ny mahagaga dia mbola tsy nandalo teo anoloan’ny fampanoavana ny raharaha, ary tsy mbola nisy fampidirana am-ponja ihany koa ho an’ireo saika hamono olona. Inona no antony hoy ny mpitazana ? Manahy ny rehetra sao tsy hita fiafarany ity raharaha ity, ka hampitomboana ny filazan’ny mpanohitra ho manao sinema politika fotsiny ny fanjakana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS