Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 6 mai 2024
Antananarivo | 20h08
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Tapitra ny lera

    vendredi 5 décembre 2008 | Naivo kely |  952 visites
    Nifarana indray ny 72 ora nanarian'ny kaominina ny fako tetsy Anosipatrana. Toerana izay natao hanariana fako vonjy maika io, nefa dia efa mivangongo eny sahady ny loto maro isan-karazany, ka mampitaraina ny maro. Telo andro nandraisan'ny kaominina eto andrenivohitra fanampahan-kevitra hentitra hanadiovana ny tanàna, taorian'ny filazana fa nisy olona matin'ny pesta teny Ambohimanarina. Na dia nilaza aza ny teo anivon'ny BMH fa tsy pesta no nahafaty ilay olona fa aretin-kibo, dia ny hita (...)
  • Matin’ny fahafinaretana

    mardi 2 décembre 2008 | Naivo kely |  1147 visites
    Nihetsika ny faritra maro omaly momba ny andro natokan'ny firenena mikambana hiadiana amin'ny SIDA. Tao anatin'ny lanonana maro isan-karazany ireny no nahatora-kovitra ny rehetra nandre ny tarehi-marika eran-tany amin'ny olona voan'izy io. Na lahy na vavy, eny fa na hatramin'ny zaza any ambohoka aza dia voan'io avokoa. 1tapitrisa no isan'ny olona voan'io sida io ankehitriny, ary ny efa matiny tsy lazaina intsony. Raha hitodika eto Madagasikara kosa isika, dia voalaza fa olona 1 amin'ny 100 (...)
  • Volabe fa tsy hay trandrahina

    lundi 1er décembre 2008 | Naivo kely |  1094 visites
    Hanomboka ny asa etsy Andralanitra. Ho lasa toerana fialam-boly indray izany afaka herintaona ilay toerana fanariana fako sy nampikolay ny maro etsy Andralanitra. Miditra antsehatra mihitsy ny mpamatsy vola toy ny frantsay amin'ny alalan'ny AFD amin'ny fanomezana vola ho enti-mikarakara io faritra nampitondra takaitra ny maro io. Tsara ny firosoana amin'ny fivoarana toy izany, saingy toerana azo natao ho fitadiavam-bola tsara io faritra io raha haintsika no nitrandraka ny fako teo. Ao (...)
  • Adino ilay 4 L isan-tokantrano

    samedi 29 novembre 2008 | Naivo kely |  1337 visites
    Raha vao nandray ny fahefana ny filoha Ravalomanana taorian'ny 2002 dia nanambara fa faraharatsiny mba mahazo 4L isan-tokantrano ny malagasy rehetra. Faly ny rehetra satria ity vao tena fahombiazana. Isika rehetra no mitsara valo taona aty aoriana na nahazo izany ny ankamaroantsika na nivarotra ny kely teo am-pelantanana. Niova indray io ankehitriny, ka lasa scotera maro be indray no nafarana. Tsy hangalana haba io, fa ny hirariana ny hananan'ny malagasy tsy vaky volo izany moto izany ho (...)
  • Fikambanana Manaovasoa

    Mitaky ny hikambanan’ny AKFM roa tonta

    samedi 29 novembre 2008 | Naivo kely |  563 visites
    Antoko matanjaka ny AKFM, saingy noho ny fiparitahany tany amin'ny taona 1989 dia nanomboka samy naka ho azy ny mpikambana tsirairay. Dia io hiarahana mahita io ny lalana nizoran'ireo kamarady rehetra hoy ny dokotera Manan'Ignace. Ny fitambaran'io antoko Akfm roa tonta io no lalana iray ahatafavoaka ny firenena hoy izy. Manana olona manam-pahaizana maro ity antoko ity, ary manana ny lazany eto Antananarivo; eny hatrany amin'ny faritany teo aloha, toa an'Antseranana, Toamasina. Midika izany (...)
  • Hihinana sa hiandry laoka ?

    vendredi 28 novembre 2008 | Naivo kely |  868 visites
    Asakasakareo mbola tsy ho avy amin'ny fiantsoako manaraka. Tenin'ny filoha Ravalomanana ny alarobia teo io raha namarana ny loabary an-dasy teny Iavoloha ny tenany. Momba ny lalana hifehy ny antoko politika eto Madagasikara no nasiany teny tamin'io. Hiantso ny antoko rehetra aho atsy ho atsy, izay handinihana ny fitsipika hifehy izany antoko politika eto amintsika izany. Maro no naneho ny heviny momba io izay nankasitraka. Isan'io ingahy Manandafy Rakotonirina sy ny Jeneraly Ramakavelo. Ny (...)
  • Mamboly korontana

    jeudi 27 novembre 2008 | Naivo kely |  1355 visites
    Any amin'ny fanovana organigrama nataon'ny ben'ny Tanàna teto an-dRenivohitra indray izao ny resaka. Samy milaza izay mba vetsovetsony ny rehetra. Ao ny faly, ary tsy vitsy ihany koa ny tezitra. Feo heno manerana ny Renivohitra io omaly. Ny tena mampalahelo, dia ny fanitaran'ny sasany ho any amin'ny resaka foko. "Nahoana hoy izy ireny no Merina avokoa no manodidina an'ingahy Ben'ny tanàna, nefa ny foko manontolo no nifidy an'i Andry Rajoelina. Renivohitr'i Madagasikara manontolo ity, ka tsy (...)
  • Voadingana ny TGV

    mercredi 26 novembre 2008 | Naivo kely |  1638 visites
    Lany olo-manga ve ny TGV ka olona avy amin'ny antoko hafa no nalainy hiara-miasa amin'ingahy Ben'ny tanàna ? Raha vao nandray ny toerana maha-Ben'ny tanàna i Andry Rajoelina, dia vitsy tamin'ireo tazana niaraka taminy tamin'ny fifidianana no nahazo toerana. Saika olona efa nipirina tany amin'ny nisy azy avokoa no tazana nandrafitra ny teo amin'ny kaominina folo volana lasa izay. Dia gaga ny rehetra hoe lany olo-manga angaha ny Tanora Gasy Vonona no ireo olona tsy niray petsapetsa nampiakatra (...)
  • Miandry ny vokatra

    mardi 25 novembre 2008 | Naivo kely |  557 visites
    Hifarana anio ilay loabary an-dasy eny Iavoloha. Ankolafin'olona maro no nandray anjara tamin'ny ady hevitra teny. Niainga tao ny teknika sy ny tora-po avy amin'ny olona nasaina. Samy nihevitra ny tenany ho marina sy mahomby avokoa tamin'izany ady hevitra izany. Ny hevitry ny maro tokoa hono no maha-taka-davitra. Ireo teny hifanomezana valo ao amin'ny MAP no novelabelarina tao. Nijerena ifotony ny lalan'ny fahombiazana sy ny mbola tsy efa. Na dia hita aza fa samy nilaza ny zava-bitany ny (...)
  • Mila savony

    samedi 22 novembre 2008 | Naivo kely |  965 visites
    Tsy misy mpandraharaha iray tsy mikolay eto amin'ny tanàna. Manahy ny ho avin'ny orinasa Malagasy izy ireo noho ny tsy fisian'ny fiarovana azy ireo mivantana, ka hanjakan'ny entana vahiny ny tanàna. Isan'ny naneho ny tsy hafaliany ny avy eo anivon'ny savonnerie tricale ny alakamisy teo. Famotehana ny orinasa Malagasy no hita eto, na dia hambara aza fa omena ny sehatra sahaza azy ireo mpandraharaha eto amin'ny tanana. Inona no tena marina hoy ny mpitazana, satria ny mpitondra, dia ny manambara (...)
  • Ampahany no hita

    vendredi 21 novembre 2008 | Naivo kely |  855 visites
    Tora-kovitra ny rehetra raha nandre fa tratra teto Madagasikara ny zava-mahadomelina mahery vaika toy ny "heroine" sy ny "cocaine". Karana no nampiditra io antsokosoko, saingy tsy avelan'ny marina tsy hipoitra ny ratsy. Toerana iray heverin'ny hafa fa ho tobim-pamaharan'ny rongony mahery vaika ny eto. Matoa tafiditra teto ireny, dia misy ny mpandray ny entana. Ary io hiarahana mahita io ny handrakandrana ataon'ny tanora Malagasy, ka tsy ho gaga isika raha heverin'ny hafa ho loharanom-bola (...)
  • Be tsy handraofana

    mercredi 19 novembre 2008 | Naivo kely |  663 visites
    Raikitra ny fitokonan'ny mpiasan'ny antenimieram-pirenena omaly maraina. Hetsika ho fanehoana firaisan-kina amin'ny tsy fanekena ny fandroahana mpiasa ao amin'ity andrim-panjakana ity. Roan-jato mahery ireo nanao fihetsiketsehana omaly. Tsara ny firaisan-kina, fa tsy maintsy atao kosa ny fanadiovana hoy ny ankilany. Tsapa fa maro tamin'ireto mpiasa ao amin'ny antenimieram-pirenena ireto no matoatoa. Izany hoe izay olo-maventy tonga ao dia mitondra ny akamakama sy ny fianankaviany avokoa mba (...)
  • Hiatrika ny safidim-bahoaka

    mardi 18 novembre 2008 | Naivo kely |  518 visites
    Anio no ho tsarain'ny vahoaka ny asa vitan'ireo olom-panjakana maro eto amintsika. Ao anatin'ilay loabary an-dasy etsy Iavoloha no ahitana izany. Andeha ny kajikajy rehetra momba ny asa vita, nefa ny fiantraikany izany eny anivon'ny vahoaka mba manao ahoana? Tsara ny tarehi-marika mety hivoaka, fa ny asa vita ihany no hifampitsarana hoy ilay antoko iray izay. Samy hiaiky isika rehetra fa nisy ny asa vita, fa mba firy isan-jaton'ny nampanantenaina kosano vita. Voatsangana ve ny rindrina (...)
  • Loa-bary an-dasy

    Hanomboka rahampitso

    lundi 17 novembre 2008 | Naivo kely |  551 visites
    Hifantoka eny Iavoloha indray ny mason'ny mpanara-baovao manomboka rahampitso talata. Herinandro be izao no hanaovana ilay loa-bary an-dasy handinihana ny fizotra ny asa amin'ny fanatanterahina ny MAP nandritra ny taona 2007. Manana andraikitra goavana amin'io ireo olom-boatendry sy tompon'andraiki-panjakana maro samy hafa. Inona no vita, ary inona no tsy mbola hefa? Hamaritra izany no tanjona amin'ity fihaonana eny Iavoloha ity, ary handray anjara amin'io ihany koa ireo mpamatsy vola (...)
  • Omaly tsy miova

    lundi 17 novembre 2008 | Naivo kely |  608 visites
    Mbola miaina ao anatin'ny vidin-tsolika midangana ny ankamaroan'ny mpanjifa eto amintsika. Toa tsy misy fiantraikany any amin'ny vahoaka akory ny fidinan'ny vidin'ny barika ho 60 dolara eo amin'ny tsena iraisampirenena. Mbola tsy lany ny tahiry nividianana ilay solika 140 dolara, hoy ireo orinasa mpanafatra solika avy any ivelany. Tsy hamono antoka izahay ka aleo aloha ho ritra ireo novidiana lafo, vao mandinika ny mety ho fidinan'ny solika izahay. Efa nampidina ihany ry zareo, saingy misy (...)
  • Injay ilay feo

    samedi 15 novembre 2008 | Naivo kely |  994 visites
    Nahazo sehatra tamin'ny haino aman-jery samy hafa teto Madagasikara ny amiraly Ratsiraka tao ho ao. Ao raha hoy ny fomba fiteny izay. Mampahatsiaro ny zava-nitranga taorian'ny taona 1991 ny toy izao, ka nampiongana ny profesora Zafy Albert tao anatin'ny taona vitsy. Dia heno fa hiverina an-tanindrazana hono ny amiraly Ratsiraka ? Izay ve no tena marina ? Injay ilay feo, hoy ny mpitazana. Rehefa tsy nahatafavoaka baolina ny mpanohitra teto an-toerana nandritra ny fotoana maro, dia (...)
  • Tompony mangataka ny atiny

    vendredi 14 novembre 2008 | Naivo kely |  753 visites
    Ny taona ho avy io no hanomboka ny fanondranan'ireo goaibe mpindrandraka ny harena ankibon'ny tany toy ny fasy mainty ho any ivelany. Ny orin'asa QMM no nahazo ny tsenan'ny fitrandrahana, ary voalaza fa voafehy tsara ny fifanarahana na ny an'ny fanjakana foibe na ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana. Namboarina ny seranan-tsambo ao Tolagnaro afahan'ireo sambo mitaona ny vokatra. Nanamboarana trano vaovao ny mpiasa. Napetraka ny fiarovana ny tontolo iainana, ary voafehy tsara ny (...)
  • Ny asa vita no hifampitsarana

    jeudi 13 novembre 2008 | Naivo kely |  505 visites
    Hifantoka any amin'ny loa-bary andasy ny sain'ny mpanara-baovao maro ny herinandro ho avy izao. Hetsika izay karakarain'ny eo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika, mba ahafantarana izay asa vita sy ny mbola tsy efa. Fepetra iray natao mba ahalalana ny olona notendrena hitana andraikitra nahavita ny asany antsakany sy andavany, sy ny nanao alasafay izany andraikitra goavana izany. Ny asa vita no hifampitsarana, ka na dia hipetraka an-taratasy maty paika aza ny tatitra isan-karazany, dia (...)
  • Fotoam-bavaky ny FJKM

    Voazarazaran’ny politika ny mpino

    mardi 11 novembre 2008 | Naivo kely |  737 visites
    Vory lanona ny mpino FJKM teny Mahamasina ny alahady lasa teo. Niombom-bavaka momba ny faha-40 taona nijoroan'ity finoana FJKM teto Madagasikara. Nandritra ny laha-teny nataon'ny filohan'ny FJKM, Lala Rasendrahasina no nanamafisany ny andraikitry ny fiangonana momba ilay rafim-pampianarana vaovao nampetraky ny fanjakana. Mifanohitra tanteraka amin'ny fomba fijerin'ny fiangonana Katolika tanteraka ny kabary izay niseho ny alahady sy ny fotoam-pivavahana nataon'ny katolika andro vitsy lasa (...)
  • Mandehandeha mahita raha

    mardi 11 novembre 2008 | Naivo kely |  814 visites
    Tonga dia lasa. Tsy mitambona mihitsy ny filoha Ravalomanana, mitady izay hambarany fa ahasoa ny vahoaka Malagasy. Tsara ny dia. Io hatrany no hambarany isaky ny tonga avy mitety firenena izay notsidihany izy. Fifanarahana ara-barotra sy ny fampahafantarana ny kolontsain'ny firenena. Fikarohana tsena afahana mamatsy rano fisotro madio, na herinaratra. Heno hatrany izany amin'ny tatitra ataon'ny filoha. Mandehandeha tokoa mahita raha hoy ny fomba fiteny izay. Ny "Force One" aza voalaza fa (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | ... | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS