Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 22h03
 

Teny zato, kabary arivo

Ny asa vita no hifampitsarana

jeudi 13 novembre 2008 | Naivo kely

Hifantoka any amin’ny loa-bary andasy ny sain’ny mpanara-baovao maro ny herinandro ho avy izao. Hetsika izay karakarain’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, mba ahafantarana izay asa vita sy ny mbola tsy efa.
Fepetra iray natao mba ahalalana ny olona notendrena hitana andraikitra nahavita ny asany antsakany sy andavany, sy ny nanao alasafay izany andraikitra goavana izany. Ny asa vita no hifampitsarana, ka na dia hipetraka an-taratasy maty paika aza ny tatitra isan-karazany, dia hiarihary amin’io ny tena nahavita be teny anivon’ny fiaraha-monina sy ireo hafa. Ho henjana ny fepetra mety ho raisin’ny filoha amin’ity indray mitoraka ity, satria maika ny asa fampandrosoana eny anivon’ny vahoaka. Manangana ny rindrina sy mametraka ny tafo isika izao, hoy ny filoha, ka tsy ilaina ny olona mitaredretra. Mety hiafara any amin’ny fanoloana minisitra amin’ny toerany na lehiben’ny faritra sy ireo olom-boatendry hafa ve ity loa-bary an-dasy atao eny iavoloha amin’ny herinandro ity ? Ho hita eo, fa ny azo antoka aloha, dia maro ny hiaro ny rambony tsy ho tapaka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS