Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 18h24
 

Teny zato, kabary arivo

Miandry ny vokatra

mardi 25 novembre 2008 | Naivo kely

Hifarana anio ilay loabary an-dasy eny Iavoloha. Ankolafin’olona maro no nandray anjara tamin’ny ady hevitra teny. Niainga tao ny teknika sy ny tora-po avy amin’ny olona nasaina. Samy nihevitra ny tenany ho marina sy mahomby avokoa tamin’izany ady hevitra izany. Ny hevitry ny maro tokoa hono no maha-taka-davitra.

Ireo teny hifanomezana valo ao amin’ny MAP no novelabelarina tao. Nijerena ifotony ny lalan’ny fahombiazana sy ny mbola tsy efa. Na dia hita aza fa samy nilaza ny zava-bitany ny rehetra, dia kely ireny raha mitaha amin’ny fahoriam-bahoaka. Misy mihitsy ny nanome naoty ho 4/20 ny fomba fiasa. Niaiky kosa anefa ireo mpanatanteraka fa maro no tsy maintsy hatao.
Ho vita ity ny loabary an-dasy. Miandry ny vokatra ny rehetra, satria matoa miketrika, dia manantena ny nahandro ho masaka. Be ihany koa ny tora-kovitra, satria izay tsy nahavita mety ho soloina. Tsy hiandry ny tsy mahavita ny fianam-pirenena. Andrasana izay ho fanampahankevitry ny filohampirenena. Marina fa tsy ny fanovana olona lava izao no ahitana vokatsoa eo amin’ny asa izay atao, fa ho hanatra ho an’ny hafa kosa ny tsy fahombiazana. Mety ho kadoa ratsy ho an’ireo esorina amin’ny toerany izany, satria mandeha ny tombana fa hisy fiovana goavana eto, ny voalohan’ny taona ho avy iny. Ho hita eo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS