Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 20h30
 

Teny zato, kabary arivo

Be tsy handraofana

mercredi 19 novembre 2008 | Naivo kely

Raikitra ny fitokonan’ny mpiasan’ny antenimieram-pirenena omaly maraina. Hetsika ho fanehoana firaisan-kina amin’ny tsy fanekena ny fandroahana mpiasa ao amin’ity andrim-panjakana ity.

Roan-jato mahery ireo nanao fihetsiketsehana omaly. Tsara ny firaisan-kina, fa tsy maintsy atao kosa ny fanadiovana hoy ny ankilany. Tsapa fa maro tamin’ireto mpiasa ao amin’ny antenimieram-pirenena ireto no matoatoa. Izany hoe izay olo-maventy tonga ao dia mitondra ny akamakama sy ny fianankaviany avokoa mba hampidirina hiasa ao. Dia mivangongo ao avokoa izy rehetra, na dia hita aza fa tsy misy asa ataon’izy ireo. Dia ny volam-panjakana no majifa araky ny fomba fiteny.

Be tsy handraofana kosa hoy ny mpitazana aty ivelany. Fepetra henjana noraisin’ny filoha Jacques Sylla kosa ny tsy maintsy hanadiovana izany. Dia raikitra io ny hetsika ho firaisan-kina. Iza no omena tsiny amin’izany ? Tsara ny milaza fa hanaja ny fepetra mifandraika amin’ny fandroahana mpiasa ity andrim-panjakana ity, ka ho hita eo tokoa ny tena fahaizana mifandamina eo amin’ny andaniny sy ny ankilany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS