Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 07h19
 

Teny zato, kabary arivo

Omaly tsy miova

lundi 17 novembre 2008 | Naivo kely

Mbola miaina ao anatin’ny vidin-tsolika midangana ny ankamaroan’ny mpanjifa eto amintsika. Toa tsy misy fiantraikany any amin’ny vahoaka akory ny fidinan’ny vidin’ny barika ho 60 dolara eo amin’ny tsena iraisampirenena.
Mbola tsy lany ny tahiry nividianana ilay solika 140 dolara, hoy ireo orinasa mpanafatra solika avy any ivelany. Tsy hamono antoka izahay ka aleo aloha ho ritra ireo novidiana lafo, vao mandinika ny mety ho fidinan’ny solika izahay. Efa nampidina ihany ry zareo, saingy misy dikany inona eo amin’ny vahoaka mpanjifa ny Ar100 sy ny Ar 50 ?

Ny andrasan’ny maro dia efa antsasany tamin’ny vidiny teo aloha ny hita any ivelany, ka rariny raha midina hatrany amin’ny Ar1600 ny litatra ny lasantsy sy Gasoil. Ho azo antoka fa hanaraka mora foana an’io ny fidinan’ny vidim-piainana eto amintsika. Ny any ivelany dia fantatra fa efa antsasany avokoa ny vidin’ireny solika ireny amin’izao fotoana izao. Ny eto amintsika mba rahoviana ? Ekena fa nilaza ny fanjakana fa hanafatra solika, saingy rahoviana io ? Mahareta fa hanana ny soa, hoy ny mpitazana, saingy ho faty ihany ny malagasy mandram-pahatongan’ny farany. Dia ny omaly tsy miova ihany no hita eto e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS