Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 6 mai 2024
Antananarivo | 20h08
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Tanora tsy an’asa

    Ataon’ny hafa fitaovana

    lundi 15 septembre 2008 | Naivo kely |  524 visites
    Rehefa noana ny kibo mivezivezy ny fanahy. Ny kibo tsy mba lamosina hono mahazaka maniraka, ka tsy ho gaga isika raha tsy mifidy iraka hampanaovina azy ny tanora tsy an’asa eto amintsika. Irakiraka etsy sy eroa no zary mameno ny androm-piainan’ny tanora. Asa ihany anefa no hampanaovina azy ireny, saingy tolotra kely zara raha vaza mihetsika no tambiny ny asa ataony. Miainga amin’ny filazana fa mianatra asa aloha. Mahavita zavatra betsaka noho ny tena mpiasa ara-dalana izy ireny. Rhefa tonga (...)
  • Do-tandroka

    samedi 13 septembre 2008 | Naivo kely |  619 visites
    Tsy hisy fanjakana hanome bala hitifirana ny tenany. Dia mandeha ny resabe. Ny mangina amin'izao tsy mety, ka dia alefa avokoa ny do-tandroka hisehoana eo imason'ny mponina fa vonona ny hitarika ny vahoaka tsy hanaiky ny tsy rariny ny mpanohitra. Tsara rehefa tsy manaiky lembenana, ary dia nitazana izay ho fihetsiky ireo mpanohitra ny vahoaka. Tsapa anefa fa manjaka ao amin'ireto mpanohitra ireto ny hakanosana. Ny antony dia mety ho ny tahotra ny tsy ahazaka olona na ny fisamborana miafara (...)
  • Sasanangy mitovy

    vendredi 12 septembre 2008 | Naivo kely |  715 visites
    Afaka ny gadrako. Io no sento tokana tao an-tsain'ingahy Henri Lecacheur, saingy mbola misy sazy mihantona telo volona lolohaviny taorian'iny didy nivoaka iny. Malalaka amin'ny fanehoany ny didy avoakany ny fitsarana, ary tsy hisy afaka hanelingelina azy amin'izany. Lasa ihany anefa ny saina nahita iny fanapahan-kevitra nivoaka iny. Fanohitohina ny filaminana anatiny sy fitarihana vahoaka andalam-be tsy nahazoana alalana no vesatra niampangana azy. mItovy tsy nisy valaka tamin'ny (...)
  • Lasa jono i Andry TGV

    jeudi 11 septembre 2008 | Naivo kely |  1346 visites
    Rehefa tsy Antananarivo no mihetsika, zava-poana izay kasaina atao. Tsy ho gaga amin'izany isika, satria Antananarivo no Renivohitry Madagasikara. Mitranga ny olana eo amin'ny fanjakana sy ny kaominina eto an-drenivohitra. Samy naneho ny heviny ny mpanohana ny andaniny sy ny ankilany, ary farany teo dia ingahy ben'ny tanàna, Andry Rajoelina mihitsy no nampiakam-peo. Tsy hiverenana ny amin'iny, fa tsapa kosa dia ny fidiran'ny hery politika isan-karazany amin'ity resaka ity. Tsy azo atao (...)
  • Tsy ampy serasera

    mercredi 10 septembre 2008 | Naivo kely |  591 visites
    Mateza roritina toy ny hena ambavan'antitra ny dotandroka eo amin'ny kaominina sy ny fanjakana. Isaky ny miposaka ny masoandro, dia mifanontany tena ny rehetra, hoe inona indray no hiseho? Tsy hidirana lalina eto androany ny karazana toreo ataon'ny eo anivon'ny kaominina, fa ny azo ambara, dia aleo hiseho fanta-bahoaka ny andraikitra sahanin'ny kaominina. Tsy ampy ny serasera miampita any amin'ny vahoaka, ka mifangaro voroka be ihany ny fomba fahitan'ny maro ity raharaha ity. Samy manamafy (...)
  • Tohano tsara, tohano mafy

    mardi 9 septembre 2008 | Naivo kely |  524 visites
    Nihiratra kely indray ny masom-panahin'ny mpitia baolina kitra Malagasy raha nandresy ny ekipa avy atsy Botswana ny Barean'i Madagasikara. Ekipa efa tsy nisy mpitsetra intsony raha ny avy eto Madagasikara, ka na ireo mpijery baolina malagasy aza, zara raha tonga nanohana ny antso. Nandresy 1 sy 0 isika. Hiatrika ny dingana manaraka, izay heverina fa ho maozatra no miandry ny mpilalao Malagasy, satria ny ekipa avy atsy Côte d'Ivoire no sakana farany tsy hiakarana any amin'ny CAN sy ny Mondial (...)
  • Mamono afo

    lundi 8 septembre 2008 | Naivo kely |  713 visites
    Raikitra ny fivarotana vary mora eny anivon'ny fokontany. Amidy 950 ariary ny iray kilao. Mahazo izay ilaina ny olona tsirairay. Natao izao mba hanampiana ny mponina manoloana ny fidiran'ny mpianatra. Nisy nandika zavatra hafa anefa izao famarotan'ny TIM vary isaky ny fokontany izao. Mamono afo hoy ny sasany, satria manomboka mahamay ny raharaham-pirenena eto andrenivohitra. Raha nanao fanazavana mikasika ity famarotana vary ity kosa anefa ireto antoko TIM ireto, dia nilaza fa efa ela no (...)
  • Famoriam-bahoaka

    Nihemotra ny mpanohitra

    samedi 6 septembre 2008 | Naivo kely |  710 visites
    Tsy nahazo alalana hanao famoriam-bahoaka ny mpanohitra anio. Ny antony dia efa misy mampiasa io kianja mitafon'ny mahamasina io ny asabotsy. Nisy ny fitadiavana vaha-olana nataon'ny tompon'andraikitra hafa eto amin'ny tanana hanomezana azy ireo ny ao ambadiky ny kianja mitafo, saingy nilaza indray ireto mpanohitra miara-diha ireto, fa aleo amin'ny manaraka fa mbola tsy vonona? Inona no anton'ity fihemorana tampoka ataon'ny mpanohitra ity, nefa efa nomena toerana malalaka haneho ny (...)
  • Be kenona

    samedi 6 septembre 2008 | Naivo kely |  688 visites
    Tsy mety ho tapitra ity hambara ho fingana atao amin'ny kaominina eto andrenivohitra ity. Toa mankaleo ny hafa mihitsy ny mandre ny fitarainana isaky ny miposaka izao ny masoandro. Ny toby finatsonan'ny fiarakodia, sy ny fanagiazana ny vola no atao litania andro aman'alina. Fingana tsy ahafahan'ny ben'ny tanana miasa hono ireo. Hambara fa mipoitra indray ny resaka Samva izay tsy hidiran'ny kaominina intsony ny fiandraketana ny asa ataony. Dia inona indray ny fitarainana rahampitso? Te (...)
  • Nankaiza ny mpanao sonia sasany ?

    vendredi 5 septembre 2008 | Naivo kely |  724 visites
    Izay voasoratra dia voasoratra. Io no azo andikana ilay fanambarana nataon'ny zoky olona teto Antananarivo ny talata lasa teo. Nitohizany tamin'ny fihaonana tamin'ny mpanao gazety omaly tetsy amin'ny La Rotonde Besarety izany. Tsy niova ny fehin-kevitra noraisina tao, dia ny hijerena ny tombontsoan'ireo olona naneho ny safidiny teto Antananarivo renivohitra. Tsy hisy ahita tombontsoa amin'ny korontana, ary ilaina ny mifampihaino. Mijoro amin'ny maha-ray aman-dreny azy ireto zoky olona (...)
  • Voly vary maro anaka

    Miditra an-tsehatra ny mpanao Filma

    jeudi 4 septembre 2008 | Naivo kely |  460 visites
    Hifanotofan'ny vahiny i Madagasikara. Samy mitondra izay voatsirambin'ny tanany izay rehetra liana amin'ny fampandrosoana ity nosy ity. Andro vitsy lasa izao no nigadona eto amintsika ny mpanao filma malaza eran-tany dia ingahy Jim Carey. Tsy hampianatra Filma an-dry Avoko na ry Volatiana sy ny hafa anefa izy fa hanome ny fahaiza-manaony eo amin'ny lafiny fambolena. Ny voly vary maro anaka no tena hifantohan'ny ity mpanao sary mihetsika ity, izay delegasiona maro izy ireo no tonga eto. Efa (...)
  • Antitra mampiady kalo

    jeudi 4 septembre 2008 | Naivo kely |  617 visites
    Na eo aza ny fahanterana, ny raharaham-pirenena tsy azo adino. Nifoha tamin'ny torimasony ny ankamaroan'ireo zokiolona, izay hita fa olona efa nitana andraikitra teto amin'ny firenena avokoa. Ny hisian'ny vaha-olana haingana, mba hanamafisana orina ny filaminana, ahafahan'ny vahoaka miaina am-pahatoniana sy manatanteraka ny adidy manandrify azy mba hialana amin'izao fahantrana izao. Io no votoatin'ny fanambarana izay nataon'izy ireo ny talata lasa teo. Antitra mampiady kalo, hoy ny hafa ka (...)
  • Nivadika ny rasa

    mercredi 3 septembre 2008 | Naivo kely |  1042 visites
    Vitsy tamin'ireo mpitarika tolona nandritra ny raharaha 2002 no tsy tafiditra am-ponja amin'izao taona 208 izao. Maro izy ireo, ka tao no nandeha nampandry tany, ary tao kosa ireo nanentana olona isaky ny ministera, ary nilahatra tetsy amin'ny kianjan'ny 13 MAI. Samy manana ny antony hitazomana azy am-ponja avokoa izy ireo, ary misy mbola hanohy ny figadrany hatramin'ny 2015. Ny resaka fikomiana amin'ity fitondrana nampetrany ity no hakamaroan'ireo voasazy. Asa na ny fomba fijery no samy (...)
  • Fidiran’ny mpianatra

    Hifanotofana ny boky tonta

    mercredi 3 septembre 2008 | Naivo kely |  393 visites
    Na dia kely aza ny elanelana, sitrany ahay vaza mihetsika. Io no teny miverimberina eny amin'ireo ray aman-drenin'ny mpianatra miantsena etsy Ambohijatovo, mpivarotra boky tonta. Lafo ny boky vaovao, ka ety no heverina fa mba mifanahatsahana amin'ny vola eo ampelan-tanana. Tsy dia lafo manao ahoana ihany koa ny vidiny. Ho an'ny ankizy any amin'ny kilasy fanombohana, Ar 3000 ny fianarana mamaky teny sy manoratra. Ny bokin'ankizy fianarana teny Frantsay kosa dia Ar 2000, ary arakaraky ny (...)
  • Mitomandavana

    lundi 1er septembre 2008 | Naivo kely |  1042 visites
    Feno mpanao politika sy mpanongam-panjakana indray ny fonja iny herinandro iny. Tsy hiverenana lava eto ny momba ireo manamboninahitra toa an-dry Bôlô sy ry Henri Lecacheur. Fanohintohinana ny filaminam-bahoaka anatiny sy fikasana hanongam-panjakana no vesatra hiampangana ireo olona ireo. Nahatratra ampolony ireo tafiditra etsy Tsiafahy sy Antanimora iny herinandro iny. Ady hevitra maro no mipetraka manoloana izany, satria maro no milaza fa raharaha tadiavina ny azy ireo. Tsy vitsy ihany (...)
  • Hitsikitsika tsy mandihy foana

    jeudi 28 août 2008 | Naivo kely |  752 visites
    Manomboka mitsoaka ny rivotra politika, izay handrehitra ny afo niotrika. Tsy tongatonga ho azy tokoa izao seho manomboka mahazo vahana eto amintsika izao, dia ny fanehoan-kevitra politika maro samy hafa. Sasanangy samy hafa, nefa mety ho iray ihany no hiafarany. Miainga amin'ny grevin'ny JIRAMA izany. Ekena fa fitakiana ny tombontsoa ho an'ny mpiasa no hiaingan'ny resaka, nefa ve ho azontsika sary an-tsaina ny mety ho fiafaran'izao ? Miditra an-tsehatra ny CRN, izay manosika ireo (...)
  • Raikitra ny ady saritaka

    mercredi 27 août 2008 | Naivo kely |  819 visites
    Hanao ahoana no hiafaran'ity renivohitra ity ? Mifamahofaho ao an-tsain'ny maro io mahita ny zava-misy eo amin'ny fanjakana foibe sy ny mpitantana eo amin'ny kaominina renivohitra. Efa maro ihany ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny haino aman-jery samy hafa momba azy ity, saingy toa mateza roritina toy ny hena ambavan'antitra ny raharaha. Taorian'ny valin-kafatra nampitain'ny teo anivon'ny kaominina ny alatsinainy lasa teo, dia nitondra ny heviny ihany koa ny mpitondra teny eo anivon'ny antoko (...)
  • Tsy afa-bela i Andry Rajoelina

    lundi 25 août 2008 | Naivo kely |  1110 visites
    Diso ny maro raha nihevitra fa ho haingam-pandeha ny TGV. Ny antony dia miseho hatrany ny olana isan-karazany raha nihevitra ny hampandroso ny kaominina aingana ity olom-boafidy. Tsy takona afenina intsony ny resaka politika, ka na dia hambara aza fa tsy hanavahana firehena ny fanampiana atao amin'ireny kaominina manerana an'i Madagasikara ireny, dia tratrin'ny ankivy lava ny eto andrenivohitra. Niainga tamin'ireny olana teo anivon'ny Jirama, ka nanapahana ny jiro sy rano tamin'ny faritra (...)
  • Mpanohitra miaradia

    Miantso ny vahoaka handray fepetra

    lundi 25 août 2008 | Naivo kely |  519 visites
    Ampy izay ny fampahantrana antsika. Io no niverimberina tamin'ny famoriam-bahoaka nataon'ny mpanohitra miaradia tetsy amin'ny tranom-pokonolona Analakely ny sabotsy tolakandro teo. Ny fanatsikafonana ny olana eto amin'ny firenena no noventesin'ny mpitarika teny an-toerana. Ny tontolon'ny fampianarana izay nanazavan'ingahy Fanony Fulgence, fa isan'ny nimatimatesany fony izy ministry ny Fampianarana ny nampiditra ny teny Frantsay ho teny enti-mampianatra. Nosy isika, ka ilaina ny fijanonana (...)
  • Grevin’ny mpiasan’ny JIRAMA

    Mitombo miandalana ny fitakiana

    mercredi 20 août 2008 | Naivo kely |  331 visites
    Manomboka anio no voalaza fa hitokonan'ny mpiasan'ny Jirama manerana ny nosy indray. Fitakiana izay niainga teo amin'ny lafiny sosialy, nefa tsy nahitana vaha-olana. Nisy ny dinika niarahan'ny mpampiasa sy ny mpiasa, saingy io nametraka 48 ora io indray ny sendikan'ny mpiasa hanaovana ny fitokonana. Mahatratra 35 no isan'ireo fitakian'izy ireo. Isan'io ny hamerenana amin'ny laoniny ny karaman'ny mpiasa izay notapahan'ny mpampiasa nandritra ny grevy farany teo. Ny tsy hamindrana toerana ireo (...)

0 | ... | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180 | 200 | 220 | ... | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS