Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 10h40
 

Malagasy

Mpanohitra miaradia

Miantso ny vahoaka handray fepetra

lundi 25 août 2008 | Naivo kely

Ampy izay ny fampahantrana antsika. Io no niverimberina tamin’ny famoriam-bahoaka nataon’ny mpanohitra miaradia tetsy amin’ny tranom-pokonolona Analakely ny sabotsy tolakandro teo.

Ny fanatsikafonana ny olana eto amin’ny firenena no noventesin’ny mpitarika teny an-toerana. Ny tontolon’ny fampianarana izay nanazavan’ingahy Fanony Fulgence, fa isan’ny nimatimatesany fony izy ministry ny Fampianarana ny nampiditra ny teny Frantsay ho teny enti-mampianatra. Nosy isika, ka ilaina ny fijanonana amin’ny teny vahiny. Tsy midika anefa izany, fa tsy hianatra ny tenin-drazana ny Malagasy. Miantso ny hanao ady hevitra amin’ny ministra amperin’asa ankehitriny ny tenany.

Ny vahoaka tsy mahay mandinika ny fahantrana no tena mahantra. Io no nisarihan’ingahy Harinaivo Rasamoelina ny vahoaka eto Andrenivohitra handray ny andraikitra. « Izahay mpanao politika dia manazava, fa ny vahoaka no tompon’ny teny farany ». I Harison kosa no namelabelatra ny olana sedrain’ny tanàna eto Andrenivohitra. Ireo ankivy maro isan-karazany, izay tsy ny ben’ny tanàna no voa amin’io fa ny vahoaka mpandoa hetra. Ny farany, dia i James Ratsimba izay nanazava ny olana ara-toe-karena diavin’ny firenena Malagasy. Hitohy rahampitso ny fivoriana izay atao eny amin’ny Villa Elisabeth Ivandry. Tomefy olona ny tranom-pokonolona Analakely, ary tazana tao avokoa ny mpanao politika mpanohitra rehetra isan’io ingahy Zafy Albert, Pierre Tsiranana, Daniel Ramaromisa, Beza Seramila sns...

Tao anatin’ny filaminana no nanehoan’izy ireo ity hetsika ity. Tsara ny milaza fa nahazo alalana hanao ny famoriam-bahoaka avy amin’ny « Préfet de police » eto andrenivohitra ireto mpanohitra ireto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS