Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 13h07
 

Malagasy

Tanora tsy an’asa

Ataon’ny hafa fitaovana

lundi 15 septembre 2008 | Naivo kely

Rehefa noana ny kibo mivezivezy ny fanahy. Ny kibo tsy mba lamosina hono mahazaka maniraka, ka tsy ho gaga isika raha tsy mifidy iraka hampanaovina azy ny tanora tsy an’asa eto amintsika.

Irakiraka etsy sy eroa no zary mameno ny androm-piainan’ny tanora. Asa ihany anefa no hampanaovina azy ireny, saingy tolotra kely zara raha vaza mihetsika no tambiny ny asa ataony. Miainga amin’ny filazana fa mianatra asa aloha. Mahavita zavatra betsaka noho ny tena mpiasa ara-dalana izy ireny. Rhefa tonga indray ny fotoana tokony has any amin’izay, da voalaza fa mbola tsy misy toerana ho azy ireo. Dia lasa mivezivezy indray ilay tanora avy eo. Ilay toeram-piasana indray anefa rehefa lasa ilay mpiana-draharaha, dia mampiditra olona hianatra asa indray. Vita ny telo volana dia alefany indray io. Dia toy izay hatrany no mitranga. Ny asa vita ny vola tsy mivoaka. Zary lasa ataon’ny hafa fitaovana ireny tanorantsika ireny. Misy aza no manakarama vola kely hiditra amin’ny asa mamohetra toy ny fanakorontanana ara-politika. Maro ny tetika hambara fa ampetraka hanomezana asa ny tanora Malagasy, saingy hatreto aloha, dia mbola mitana ny 50% ny tanora Malagasy no tsy an’asa ankehitriny. Na miasa aza karama vary masaka e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS