Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 19h06
 

Malagasy

Voly vary maro anaka

Miditra an-tsehatra ny mpanao Filma

jeudi 4 septembre 2008 | Naivo kely

Hifanotofan’ny vahiny i Madagasikara. Samy mitondra izay voatsirambin’ny tanany izay rehetra liana amin’ny fampandrosoana ity nosy ity. Andro vitsy lasa izao no nigadona eto amintsika ny mpanao filma malaza eran-tany dia ingahy Jim Carey.

Tsy hampianatra Filma an-dry Avoko na ry Volatiana sy ny hafa anefa izy fa hanome ny fahaiza-manaony eo amin’ny lafiny fambolena. Ny voly vary maro anaka no tena hifantohan’ny ity mpanao sary mihetsika ity, izay delegasiona maro izy ireo no tonga eto. Efa nitety faritra maro toy ny tany Ambatondrazaka izy ireo, ary nihaona tamin’ny tompon’andraikitra maro samy hafa, ka isan’io ny filoha Ravalomanana. Vonona ny lehilahy amin’ny fanatanterahana ny MAP. Isan’ny navoitrany io raha nitafa tamin’ny mpanao gazety.
Maro no nahaliana azy tamin’ny hakanton’ny nosy sy ny ezaka vita teto. Izay no isan’ny nanolorany tanana ho an’ity nosy ity.

Firenena afaka mivoatra i Madagasikara, raha ampy ny tosika ho an’ireo teknisianina manome ny toro-marika ho an’ny tantsaha. Porofon’io ny fomba fahitan’itony vahiny mandalo eto, ny sehatra afahana mamokatra eto Madagasikara. Mitaky ny fampitomboana ny vokatra ny toy izao. Raha ny tsapa anefa dia misy ny finiavana eo amin’ny tantsaha, fa ny fitaovana no tsy ampy. Isan’io ny tsy fisian’ny lakan-drano manondraka ireo faritra ho volena. Na misy aza izy ireny, dia saika tototry ny atsanga ka tsy ahitana tombontsoa firy. Isan’ny ezaka ataon’ny kaominina maro ny manaisotra sy manadio azy ireny, isan’io ny etsy Talatamaty sy ny any amin’iny faritry i Itasy iny. Ny làlana ihany koa tsy lazaina intsony ka na be aza ny vokatra ny hamoahana azy no olana. Mino isika fa isan’ny ezaka goavana hipetraka ihany koa ny fijerena ifotony, ny sakana ho amin’ny fambolena eto, ka tsy hiandry vahiny lava izao, vao afaka ny hampitombo ny vokatra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS