Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 10h59
 

Malagasy

Fidiran’ny mpianatra

Hifanotofana ny boky tonta

mercredi 3 septembre 2008 | Naivo kely

Na dia kely aza ny elanelana, sitrany ahay vaza mihetsika. Io no teny miverimberina eny amin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra miantsena etsy Ambohijatovo, mpivarotra boky tonta.

Lafo ny boky vaovao, ka ety no heverina fa mba mifanahatsahana amin’ny vola eo ampelan-tanana. Tsy dia lafo manao ahoana ihany koa ny vidiny. Ho an’ny ankizy any amin’ny kilasy fanombohana, Ar 3000 ny fianarana mamaky teny sy manoratra. Ny bokin’ankizy fianarana teny Frantsay kosa dia Ar 2000, ary arakaraky ny kilasy misy ilay mpianatra no maha-lafo na mora izany.

Sarangan’olona samy hafa no miantsena eny. Mbola azo ampiasaina ihany koa raha ireo fitaovana ampiasaina eny. Ho an’ny mpianatra eny anivon’ny kilasy famaranana ihany koa dia maro no mividy boky etsy Ambohijatovo. Raha ny resaka fohy nifanaovana tamin’ireo mpivarotra eny, dia voalaza fa tsy mbola nisy olana momba ny filazana fa boky halatra no amidin’izy ireo. Arovana ny tsena tsy ho tratrin’izay endrika ratsy izay. Mahalafo karazam-boky hatramin’ny 15 isan’andro izy ireo, ary ny boky ho an’ny zaza madinika aloha hatreto no tena mandeha.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS