Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 6 mai 2024
Antananarivo | 21h47
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Tsy nisy mitsipaka

    lundi 10 novembre 2008 | Naivo kely |  496 visites
    Io indray ilay manara-drenirano ataon'ny depiote tsy miankina etsy Tsimbazaza hoy ny mpitazana. Na iray aza tsy nisy sahy nilaza ny heviny na nitsipaka nandritra ny fandaniana ny teti-bolam-panjakana ny herinandro teo. Izany hoe resy lahatra hatramin'ny fara,ny momba ity resaka ity izany izy ireo, ka mora sy nisosa ery ny fizotry ny fivoriana tao an-dapa. Tsy hidirana laliny ny toe-bola ho entin'ny ministera isan'isany miasa na ireo andrim-panjakana, fa ny tsapa dia tsy mba hita firy (...)
  • Lany tao Irak ny vola ?

    samedi 8 novembre 2008 | Naivo kely |  869 visites
    Antony nahatonga ny krizy ara-bola eran-tany ny fandaniana momba ny fanaovan-trano tany amin'ireo firenena matanjaka, ka tsy voaverina amin'ny laoniny avy eo. Io no fanazavana entin'ny mpahay toe-karena any ivelany hilazana ny fahavoazana mianjady amin'ireo banky any ivelany. Voa mafy I Etazonia, ka niitatra any amin'ny firenen-kafa. Ny tsy azo odian-tsy hita ihany koa anefa, dia isan'ny naha-banky ropitra ny firenena matanjaka ny ady atao ao Irak sy ny filazana ho fampandrian-tany any (...)
  • Andro iray hitondra inona ?

    lundi 3 novembre 2008 | Naivo kely |  553 visites
    Rahampitso no hiatrika ny fifidanana izay ho filoham-pireneny ry zareo Amerikana. Fifidianana izay heverina fa hitondra rivotra mety ho tsara sy ratsy eo amin'izao tontolo izao. Noho izay rivotra hafahafa izay, dia hifantohan'ny mpanara-maso maneran-tany ity fifidianana ity. Miankina amin'io ny ho avin'ny toe-karena maneran-tany, ary isan'io isika eto Madagasikara. Miankina amin'ny firenena matanjaka tokoa ny toe-karen'ny firenena andalam-pandrosoana toan'i Madagasikara. Ny firenena toa (...)
  • Ramino Jean sy ny fiainam-pirenena

    Miha-mahantra i Madagasikara

    vendredi 31 octobre 2008 | Naivo kely |  1797 visites
    Mila mailo ny filoha Ravalomanana, fa misy olona mpanoro vohona ao akaikiny ao. Isan'ny teny nambaran'ingahy Ramino Jean io. Ny antony, dia miezaka manao izay ho afany hanalana ny vahoaka ao anaty fahantrana ny filoham-pirenena. Misy amin'ireo manodidina azy anefa no tsy mahatsapa izany. Misy ny manolontsaina vilana, ary misy kosa anefa ny tena vonona amin'ny fiaraha-miasa aminy. Tsy ho gaga isika raha mbola maro ny mpangataka sy ny mpitrindroka zaoridira eto amin'ny tanana. Mariky ny (...)
  • Tsy misy tombo sy ala

    mercredi 29 octobre 2008 | Naivo kely |  557 visites
    Hentitra ny filoham-pirenena Ravalomanana, nilaza fa tsy asiana tombo sy ala ny fanampiana ireo kaominina eto Madagasikara. Fanamafisana izay efa voalaza tany aloha izay midika fa Malagasy iray ihany isika eto fa tsy hijerena lokon'antoko. Toa fanamafisana izay efa voalaza tany aloha io nambaran'ny filohan'ny nosy tamin'ny tenin'ny filoham-pirenena isaky ny alahady io. Endrika iray entina hampisehoana amin'ny vahoaka, fa manampy ny fanjakana fa raha misy asa tsy tontosa, dia anjaran'ilay (...)
  • FJKM Anosipatrana

    Nitomany ny mpino

    mardi 28 octobre 2008 | Naivo kely |  1347 visites
    Rava indray ny fotoam-pivavahana tetsy amin’ny fiangonana Anosipatrana FJKM ny alahady lasa teo. Tsy nisy nanaiky lembenana ny andaniny sy ny ankilany, ka na ilay Pasitera Delege aza tsy afaka niteny teo anatrehan'ny mpino marobe tonga nihira sy nivavaka. Nivoaka ny efitrano ireo mpomba ny pasitera mpisolo toerana. Nivavaka tao anatiny kosa, ireo mpomba ilay noesorina. Nidina lakile ny zava-maneno, ka nanao hira zafindraony no nataon’iretsy tsy nahazo zava-maneno. Nitomany nigogogogo ireo (...)
  • Maso lavitra

    lundi 27 octobre 2008 | Naivo kely |  660 visites
    Mifantoka any amin’ny firenena tandrefana ny sain’ny mpanara-baovao maro. Hanao ny fifidianana izay ho filohampireneny ny Amerikana ny 4 novembre izao. Fifidianana izay hifantohan’ny saina satria tsy maintsy hisy fiantraikany eo amin’izao tontolo izao izay ho filoham-pirenena mety ho lany eo. Tsy idirana lalina ny momba ny kandida repoblikana sy ny demokraty, dia ingahy Obama sy Mc Cain, fa ny ho fihodin’ny tantara manerana izao tontolo izao no mahaliana ny maro. Manana ny politika izay heveriny (...)
  • Ho takona ny TGV

    samedi 25 octobre 2008 | Naivo kely |  1295 visites
    Mila fiomanana mialoha ny fandraisana ny vahiny ho avy eto ny taona 2009 sy 2010. Efa manomboka izany ny fanjakana Malagasy. Hiditra amin'ny fanofanana ireo olona hisahana ny raharaha maro isan-karazany isika. Tafiditra ao anatin'io ny ambaratongam-pitondrana isan-karazany. Ahazo tombony lehibe amin'io fivoriana io ny kaominina ambanivolo Ivato Seranana sy ny Ivato Aéroport. Ho takona amin'izany ny TGV, dia i Andry Rajoelina izany. Mandeha mantsy ny feo, fa ny ben'ny tanàna eny Ivato no (...)
  • Fanamby

    vendredi 24 octobre 2008 | Naivo kely |  830 visites
    Tsy naharototra ny filoha Ravalomanana ny mahita ny krizy ara-bola maneran-tany amin'izao fotoana izao. Tombony lehibe ho a'ny tany andalam-pandrosoana io hoy izy. Porofo nomeny tamin'izany, ny tsy fahazoana mandefa ireo mpiasa avy any Canada miisa 4000 ho aty Madagasikara hiasa ao amin'ny Sheritte Ambatovy. Ny vidin'ny solika io nihena hatrany amin'ny 70 dolara io. Ny firosoana any amin'ny fambolena avo roa heny ihany no vaha-olana haingana hoy izy, satria afaka manao izany tsara isika eto (...)
  • Sarotsaromy fa mahamenatra

    jeudi 23 octobre 2008 | Naivo kely |  957 visites
    Manomboka mifantoka aty Madagasikara ny mason'izao tontolo izao. Vokatr'ilay fandraisana ny fivoriana amin'ny herintaona sy roa taona manaraka io. Tsapa fa efa maro ireo mpanao gazety vahiny no tonga eto Madagasikara, izay mijery ireo ezaka amin'ny fotodrafitr'asa handraisana ireny fivoriana ireny. Tsy ho latsaa-danja amin'izany koa anefa ny fijerena ny toe-karena Malagasy, sy ny kolontsain-tsika. Raha ny tsapa tao anatin'ny andro vitsivitsy, dia maro amin'ireo vahiny no roboka amin'ireo (...)
  • Mamokatra no vaha-olana

    mercredi 22 octobre 2008 | Naivo kely |  462 visites
    Ny fampiakarana avo roa heny ny fambolena no vaha-olana haingana ahafahana misoroka ny fahapotehan'ny toe-karena. Ho firenena afaka mivelona ara-dalana sy manondrana isika. Fepetra noraisin'ny fanjakana ankehitriny io hampiakarana avo roa heny ny fambolena eto Madagasikara io, indrindra fa ny vary. Isan'ny nambaran'ny filoha Ravalomanana io tany ivelany, manoloana ny ho fisorohantsika ny krizy ara-bola maneran-tany. Mampahatsiahy tamin'ny andron'ny amiraly Ratsiraka fony repoblika faha-roa (...)
  • Antenimierampirenena

    Tsy milamina ny tany hoy i Sylla

    mercredi 22 octobre 2008 | Naivo kely |  879 visites
    Tao anatin'ny fisokafan'ny fivoriana ara-potoana faha-roa omaly no nilazan'ny filohan'ny antenimieram-pirenena Sylla, fa tsy milamina ny tany. Isan'ny resaka fandriam-pahalemana izay miha-mahazo vahana na an-tanan-dehibe na ambanivohitra. Ny mampalahelo, dia miditra amin'io herisetra io ny mpitandro ny filaminana. Ny jiolahy ihany koa dia efa sahy mihantsy ny mpitandro ny filaminana. Miparitaka ny fitaovam-piadina. Ny fitsarana dia maro ny didy tsy mifanaraka amin'ny tena zava-misy. Ny (...)
  • Ambany maso tsy hita

    mardi 21 octobre 2008 | Naivo kely |  872 visites
    Minoa fotsiny ihany. Tanteraka ny nofinofin'ny filoha Ravalomanana ny handray ny fivorian'ireo firenena maro eran-tany ho atao eto Madagasikara. Vitany ny afera, ka resy lahatra ny firenena vahiny hiazo an'i Madagasikara ny taona 2009 sy ny taona 2010. Ny fivorian'ny vondrona Afrikana sy ny firenena miteny ampahany, na manontolo ny fiteny Frantsay io. Hiady hevitra hamahana ny olana eran-tany no anton'io fivoriana io, ary tsy ho diso anjara min'izany ny olana aty Afrika. Hifantoka aty (...)
  • Arema mouvence

    lundi 20 octobre 2008 | Naivo kely |  1614 visites
    Ny zanaky i Deba indray no lasa nitsikera mafy ny lahatenin'i Amiraly Ratsiraka farany teo avy any Paris. Tsy mahita marina ny tenany, ka tsy mahatsapa ny asa vitan'izao fitondrana izao eto Madagasikara. Asa mety ho tatitra diso ihany koa angamba no voarainy ka nahatonga azy hanao ireny fanambarana mivantana tao amin'ny Motel Anosy ireny. Io no nambaran'ireo mpikatroka ao amin'ny Arema, ary niofo ho Arema matotra ankehitriny. Ingahy Henri Charles Randriamahefa no nanambara io ny faran'ny (...)
  • Faly mampisavorovoro

    samedi 18 octobre 2008 | Naivo kely |  1421 visites
    Hody hono i Ratsiraka, fa manina ny tanindrazany. Io ny feo aparitaka etsy sy eroa. Any amin'ny faritra toan'i Vatovavy Fitovinany no tena handrenesana io. Ao Sava ihany koa dia efa manomboka misy ny olona manaparitaka izany. Olona 15 isaky ny distrika no ilaina hitsena azy aty Antananarivo. Tsy voalaza amin'ireo olona ireo kosa anefa ny daty ahatongavany. Rehefa fotorana akaiky anefa ity resabe etsy sy eroa ity, dia toa misy ny faly hampisavorovoro ny saim-bahoaka. Ireo mpikambana ao (...)
  • Iray andro ho an’ny Polisy

    vendredi 17 octobre 2008 | Naivo kely |  746 visites
    Hifampitadiavana eran'ny tanana i Dorrick. Jiolahy hikoizana eto amintsika, ary nahavita heloka maro. Jiolahy, izay afa-nandositra teo anoloan'ireo mpiambina azy raha hiazo ny fonja eny Tsiafahy. Mihoron-koditra ny mponina raha vao mandre ny anarany. Mitohy ny asa ratsiny hatramin'izao. Maro ny namany efa azo, ary mizaka ny saziny eny am-ponja ihany koa. Miely ny feo eto andrenivohitra mikasika ity jiolahy malaza ity. Tapa-bolana lasa izay, dia saika manao fangalam-piery amin'ny mpitandro (...)
  • Sarotra ny miala amin’ny mahazatra

    jeudi 16 octobre 2008 | Naivo kely |  725 visites
    Ho henjana ny sazy ireo miaramila tsy manara-dalàna manomboka izao. Fepetra noraisin'ny fitondram-panjakana ireo tany Antsiranana sy Toamasina. Tsy mahazo miasa ivelan'ny toby. Ho henjana ihany koa ny fanaraha-maso ny fitaovam-piadiana any amin'izy ireo, indrindra fa ny fitondrana izany eny rehetra eny ivelan'ny asa. Sarotra ny miala amin'ny mahazatra, saingy làlana iray ahafahana misoroka ny loza ny toy izao. Ireny efa niarahana nahita ireny ny nafitsoky ny polisy na zandary ary miaramila. (...)
  • Nankaiza ny varin’ny TIM ?

    mercredi 15 octobre 2008 | Naivo kely |  786 visites
    Miditra amin'ny vanim-potoan'ny maintso ahitra isika izao. Miakatra ny vidim-bary eny an-tsena. Manomboka manao sakafo ambany foitra indray ny tsy manan-katao. Izao no fotoana ilàna ny vary amidy mora nataon'ny antoko tiako i Madagasikara, izay 950 ariary ny kilao. Mifanontany ny rehetra fa nankaiza no tsy misy intsony izy io? Sao mba mitombina tokoa hoy ny hafa ny filazan'ny maro manao hoe, natao hamonoana afo momba ny olana teo amin'ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny fanjakana (...)
  • Mifamahofaho ny resaka

    mardi 14 octobre 2008 | Naivo kely |  785 visites
    Tsy misy manaiky lembenana ireo mpino krisitianina etsy amin'ny FJKM Anosipatrana. Ny antony dia samy mila ho tompon'ny marina ny andaniny sy ny ankilany. Mifanosom-potaka tanteraka, ary samy milaza fa hampiakatra ny raharaha any amin'ny ambonimbony kokoa. Resaka finoana izy ity ka manahirana. Tsy vao izao no ahitana tranga mampifanolana ny eo anivon'ny FJKM. Ireny niarahana nahita ireny ny fiafaran'ny teo anivon'ny FJKM Andravohangy fivavahana. Ny fiangonana maromaro teto an-drenivohitra, (...)
  • Fivoriana an-tampony aty Afrika

    Nomen’ny AKFM tsiny ny filoha

    mardi 14 octobre 2008 | Naivo kely |  531 visites
    "Tsy nisy olona vonona hanakana io fivoriana io, fa ny fanemorana azy no tokony ho atao". Io no nambaran'ingahy Erick Rakotomanga, sekretera Jeneralin'ny antoko AKFM. Ny antony, dia mbola miaina ao anatin'ny fahasahiranana i Madagasikara. Gaga ity antoko ity, raha nanambara ny filoha fa nohamafisina ny resaka fandriam-pahalemana, noho ny fiomanana amin'io fivoriana an-tampony aty Afrika amin'ny volana Jolay 2009 io. Mitovy fomba fijery amin'itompokolahy Herizo Razafimahaleo izahay momba ny (...)

0 | ... | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180 | ... | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS