Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 04h48
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy misy tombo sy ala

mercredi 29 octobre 2008 |  553 visites  | Naivo kely

Hentitra ny filoham-pirenena Ravalomanana, nilaza fa tsy asiana tombo sy ala ny fanampiana ireo kaominina eto Madagasikara. Fanamafisana izay efa voalaza tany aloha izay midika fa Malagasy iray ihany isika eto fa tsy hijerena lokon’antoko.

Toa fanamafisana izay efa voalaza tany aloha io nambaran’ny filohan’ny nosy tamin’ny tenin’ny filoham-pirenena isaky ny alahady io. Endrika iray entina hampisehoana amin’ny vahoaka, fa manampy ny fanjakana fa raha misy asa tsy tontosa, dia anjaran’ilay ben’ny tanana no tsy nahefa ny adidiny.

Mifantoka tanteraka amin’ny tranga izay nampifanolana ny fanjakana sy ny kaominina teto andrenivohitra volana vitsy lasa izay. Toa tsy mbola misy miainga ireo tetikasa goavana nampanantenaina ny vahoaka. Isan’io ny lapan’ny tanana etsy Analakely. Ny orinasa nahazo ny tolo-bidy aza tsy mbola fantatra. Ny etsy Andohalo, izay mbola ho lavitry ny nifanarahana ihany no ahavitan’io sehatra maintso manana ny tantarany io. Antsonjombe izany aloha, dia mbola ho nofy. Misy kosa ny efa vita, izay mendrim-piderana avy amin’ny mponina ireny. Tsy ny eto andrenivohitra ihany no ahitana fikatsoan’ny asa toy izao, fa manerana ny kaominina maro. Efa nisy ny fampiofanana ireo ben’ny tanana, nefa afaka hitarafana ny fomba fiasany aty aoriana ve ireny ? Tsy misy tombo sy ala ny fanampiana ny kaominina, koa antenaina, fa hisy fiovana ao anatin’ny fotoana voafetra ny tanana, indrindra fa manakaiky ilay fotoam-pivoriana hanomboka amin’ny herintaona.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS