Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 07h55
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy nisy mitsipaka

lundi 10 novembre 2008 | Naivo kely

Io indray ilay manara-drenirano ataon’ny depiote tsy miankina etsy Tsimbazaza hoy ny mpitazana. Na iray aza tsy nisy sahy nilaza ny heviny na nitsipaka nandritra ny fandaniana ny teti-bolam-panjakana ny herinandro teo. Izany hoe resy lahatra hatramin’ny fara,ny momba ity resaka ity izany izy ireo, ka mora sy nisosa ery ny fizotry ny fivoriana tao an-dapa.

Tsy hidirana laliny ny toe-bola ho entin’ny ministera isan’isany miasa na ireo andrim-panjakana, fa ny tsapa dia tsy mba hita firy intsony ireny ady hevitra nafana toy ny taloha ireny. Marina fa efa tsy misy mpanohitra intsony ao amin’ny antenimieram-pirenena, nefa tokony hisy ihany famakafana ho heno momba ireo asa miantraika mivantana any amin’ny vahoaka nefa kely vola. Isan’io ny momba ny fandriam-pahalemana sy ny fahasalamana. Ny vola natokana ho an’ny fampianarana, sy ny hiatrehana ny lafiny ara-tsosialy. Kely ihany ireo raha mitaha amin’ny zavatra hafa. Niakatra be ihany kosa ny vola ampiasaina eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika.

Raha bangoina ny tena zava-misy marina eny Tsimbazaza, dia maro ireo depiote matahotra ny ho tratrin’ny ankivy raha mitsipaka ny hevitra amposaky ny mpanatanteraka. Dia ireny lany tsy nisy nitsipaka ireny ny volavolan-dalana izay naroso. Sa izay kosa no mahatsara zavatra ? Nefa tokony ho fantatry ny maro ihany fa tsy heloka ny miady hevitra, saingy rehefa ao ny tahotra akory atao ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS