Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Malagasy

Antenimierampirenena

Tsy milamina ny tany hoy i Sylla

mercredi 22 octobre 2008 | Naivo kely

Tao anatin’ny fisokafan’ny fivoriana ara-potoana faha-roa omaly no nilazan’ny filohan’ny antenimieram-pirenena Sylla, fa tsy milamina ny tany. Isan’ny resaka fandriam-pahalemana izay miha-mahazo vahana na an-tanan-dehibe na ambanivohitra. Ny mampalahelo, dia miditra amin’io herisetra io ny mpitandro ny filaminana. Ny jiolahy ihany koa dia efa sahy mihantsy ny mpitandro ny filaminana. Miparitaka ny fitaovam-piadina. Ny fitsarana dia maro ny didy tsy mifanaraka amin’ny tena zava-misy.

Ny fampianarana, kosa dia tsapa fa ny ray aman-drenin’ny mpianatra no mandoa ny tabin-kasasaran’izy ireny. Tsy ampy ny rano fisotro madio. Ny vidin-jiro dia miakatra andro aman’alina, ka mila tsy ho zakan’ny vahoaka intsony. Mitarazoka ny fanomezana kaontera ho an’ny mpanjifa. Miha-lafo ny sakafo eny antsena, ary mitobaka ny sakafo vita vahiny. Na eo aza anefa ireo, dia tsapa ny ezaka ataon’ny fitondrana hoy ingahy Sylla, ka isan’io ny fanafarana vary any ivelany. Ny famokarana apemba. Ny fidirana amin’ny resaka angovo azo amin’ny toho-drano. Ny fampitomboana ny sakafo ho an’ny mpianatra any ampianarana. Ireo raha fehezina ny kabary nandritra ny fisokafan’ny fotoam-pivoriana omaly teny Tsimabazaza.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS