Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 01h08
 

Malagasy

FJKM Anosipatrana

Nitomany ny mpino

mardi 28 octobre 2008 | Naivo kely

Rava indray ny fotoam-pivavahana tetsy amin’ny fiangonana Anosipatrana FJKM ny alahady lasa teo. Tsy nisy nanaiky lembenana ny andaniny sy ny ankilany, ka na ilay Pasitera Delege aza tsy afaka niteny teo anatrehan’ny mpino marobe tonga nihira sy nivavaka.

Nivoaka ny efitrano ireo mpomba ny pasitera mpisolo toerana. Nivavaka tao anatiny kosa, ireo mpomba ilay noesorina. Nidina lakile ny zava-maneno, ka nanao hira zafindraony no nataon’iretsy tsy nahazo zava-maneno. Nitomany nigogogogo ireo mpino, satria izao ve sisa no hiafaran’ny zanak’Andriamanitra ?

Be siasia tokoa isika olombelona, ka na dia ny fifandeferana faran’izay bitika aza tsy hita. Inona no fepetra raisin’ny FJKM foibe fa manala-baraka ny finoana FJKM ny toy izao ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS