Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 00h35
 

Malagasy

Ramino Jean sy ny fiainam-pirenena

Miha-mahantra i Madagasikara

vendredi 31 octobre 2008 | Naivo kely

Mila mailo ny filoha Ravalomanana, fa misy olona mpanoro vohona ao akaikiny ao. Isan’ny teny nambaran’ingahy Ramino Jean io. Ny antony, dia miezaka manao izay ho afany hanalana ny vahoaka ao anaty fahantrana ny filoham-pirenena. Misy amin’ireo manodidina azy anefa no tsy mahatsapa izany. Misy ny manolontsaina vilana, ary misy kosa anefa ny tena vonona amin’ny fiaraha-miasa aminy.

Tsy ho gaga isika raha mbola maro ny mpangataka sy ny mpitrindroka zaoridira eto amin’ny tanana. Mariky ny fahantrana ireny. Rehefa hita fa tsy misy intsony ireny olona miady amin’ny fako ireny, izay vao azo hambara fa miposaka ny masoandrom-piainan’ny Malagasy. Mbola lavitra ny ezaka ho fametrahana an’i Madagasikara ho amin’ny toerana sahaza azy, nefa mila ny fandraisana andraikitry ny rehetra izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS