Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 05h42
 

Teny zato, kabary arivo

Andro iray hitondra inona ?

lundi 3 novembre 2008 | Naivo kely

Rahampitso no hiatrika ny fifidanana izay ho filoham-pireneny ry zareo Amerikana. Fifidianana izay heverina fa hitondra rivotra mety ho tsara sy ratsy eo amin’izao tontolo izao.

Noho izay rivotra hafahafa izay, dia hifantohan’ny mpanara-maso maneran-tany ity fifidianana ity. Miankina amin’io ny ho avin’ny toe-karena maneran-tany, ary isan’io isika eto Madagasikara. Miankina amin’ny firenena matanjaka tokoa ny toe-karen’ny firenena andalam-pandrosoana toan’i Madagasikara.

Ny firenena toa an’i Etazonia no mibaiko ny rafitra maro eran-tany. Raha ireny ny no mievona, dia voan’ny sery izao tontolo izao. Andro iray hitondra inona eo amin’ny politikan’ny fampandrosoana ary ity fifidianana atao rahampitso ity ? Marina fa manana ny politika afahana mamaritra rafim-pampandrosoana eto ny mpitondra Malagasy, saingy tsy afa-miala amin’ny fepetra ampetraky ny vahiny isika. Dia ho hita eo ny vokatry ity fifidianana atao any amin’ity tany tandrefana ity. Mba rahoviana re no mba hitondra ankony tsara eo amin’izao tontolo izao ny fifidianana atao eto madagasikara e ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS