Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 6 mai 2024
Antananarivo | 16h26
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Tanora sy ny raharaham-pirenena

    Mitady ny FFKM sy ny olon-kendry

    mardi 19 août 2008 | Naivo kely |  379 visites
    Mila averina ny hasin'ny fianankaviana sy ny firenena. Fanehoan-kevitra entin'ny vondron'ny tanora mpandala ny raharaham-pirenena io, izay ingahy Razafimandimby Jean Batiste no filoha mitarika izany. Tao anatin'ny fanadihadiana ny trangan-javatra misy eto Madagasikara no nahatonga azy ireo haneho hevitra. Tsapa eto amintsika fa manjaka ny herisetra, ary mihanaka ny zava-mahadomelina. Toy izany koa ny varo-toaka sy ny fivarotantena. Miady amin'ny fahantrana isika, nefa ny fngalarana sy ny (...)
  • Lava tongotra

    lundi 18 août 2008 | Naivo kely |  517 visites
    Izay mahavangivangy tian-kavana. Fomba fiteny taloha, nefa mitoetra ankehitriny. Fifaninanana isaky ny kaominina izao no malaza. Samy mandray anjara amin'izany ny ben'ny tanàna mahatsapa fa manana asa mivaingana afaka atao ho modely ao anatin'ny faritra misy azy. Tsara izany, satria fifaninanana masina no atao. Tsy tokony hijanona eo anivon'ny kaominina ihany anefa ny resaka, fa tokony hipaka hatrany amin'ny sefo distrika sy ny lehiben'ny faritra. Raha ny hita tokoa, ny herinandro lasa teo, (...)
  • Teny zato kabary arivo

    Resy tsy fitsena

    samedi 16 août 2008 | Naivo kely |  527 visites
    Ny resy tsy fihoby. Io no tsapa amin’ny fanatanjahan-tena Malagasy. Manoloana ny faharesena nitranga tamin’ny mpilalao Malagasy, na teo amin’ny baolina lavalava, na ihany koa teo amin’ny lalao baolina kitra, dia ny Barea izany. Raha vao tafakatra tamin’ny sehatra ambonimbony izy ireo, dia saika nanakoako aty amintsika ny zava-bita. Teo ihany koa ny fikarakarana makotroka natao ho an’ireto mpilalao ireto raha vao andeha ho any ivelany hiatrika ny lalao iraisam-pirenena. Resy ry zalahy, ary (...)
  • Tonga ny filoha Ravalomanana

    Hampiakarina avo ny fanatanjahantena Malagasy

    mercredi 13 août 2008 | Naivo kely |  653 visites
    Nampihetsika ny hambom-pon'ny filoha Ravalomanana ny lalao atao any Beijing. Malagasy vitsy no nandray anjara tamin'izany, ary raraka hatreto ny telo tamin'ireo enina nandray anjara. Niaiky ny filoha fa avo lenta tokoa ity lalao ity, ary zava-dehibe ho antsika ny mandray lesona tsara tamin'izany. Roa sosona ny zavatra vita tany, ka isan'io ny nahazoan'ny filoha ilay mari-boninahitra indray. Tsapan'ny vahiny ny ezaka vita, ary porofon'io ny nandraisan'ny filoha Sinoa voalohany ahy, hoy ny (...)
  • Vita ny FIER MADA

    Mahay ny Gasy, fa tsy ampy tosika

    mardi 12 août 2008 | Naivo kely |  541 visites
    Liana ny maro nahita ny ezaky ny tantsaha. Izay tsy tonga teny amin'ny FIER MADA kosa, dia ny akony sisa tsaroan'izy ireo. Andro vitsy no nanatontosana ity foara ity tetsy Antanimena. Mpikaroka sy tantsaha maro no tonga teny an-toerana. Samy nahazo ny tandrify azy ny tsirairay, indrindrindra fa ireo olona tia karokaroka sy tia ny tontolo ambanivohitra. Ny akony tamin'ny haino aman-jery samy hafa no nahavaky vava ny nahita hoe "hay mahay tahaka izao ny Malagasy, fa tsy ampy ny fanosehana azy (...)
  • Fikambanana Manaovasoa

    Vita ny tetik’ady hampandrosoana ny firenena

    mardi 12 août 2008 | Naivo kely |  357 visites
    Tahirin-kevitra 110 pejy no vita. Efa nanomboka tamin'ny taona 1999 no niketrehana ity tahirin-kevitra ity, ary haparitaka manerana ny faritra 22 manomboka izao. Amin'ny alalan'ny CD no hanaovana izany ary amidy fa tsy ho zaraina fotsiny. Io no nambaran'n'ny fikambanana "Manaovasoa" tao amin'ny ACEEM Radio ny alahady antoandro teo. Notarihan'ny dokotera Manan'Ignace sy ireo mpikambana ao aminy. Ny lafiny politika, sosialy, toe-karena, fanabeazana ary ny kolontsaina dia hita ao avokoa. Ny (...)
  • Teny zato kabary arivo

    Very maina ny ra latsaka

    lundi 11 août 2008 | Naivo kely |  604 visites
    Nangatsiaka tsy mba nisy nahatsiaro intsony ny datin'ny 10 Aogositra 1991. Na ilay fanaterana voninkazo tetsy amin'ny kianjan'ny 13 mai aza tsy nisy nanao intsony. Ingahy Alain Ramaroson no mba mpanao io isan-taona, saingy samy manana ny fahasahiranany angaha ny rehetra ka dia ny nisafidy ny nangina no natao. Tantara iray tsy azo kosehina eo amin'ny fiainan'ny Malagasy iny daty iny. Aina maro no nafoy, ary ra maro no latsaka. Maro ireo mbola mitondra takaitra hatramin'izao, saingy toa tsy (...)
  • Teny zato kabary arivo

    Nahazo ny anjarany

    vendredi 8 août 2008 | Naivo kely |  532 visites
    Ela ny ela, nahazo fiara ihany ny depiote. Volana maro aty aoriana vao mba nahazo ny anjarany ireo olom-boafidy avy amin'ny tsy miankina. Efa tara ihany izany raha mitaha amin'ireo namany ao Tsimbazaza, satria ny hafa efa nahavita nitety faritra maro amin'ny fiara 4x4. Rehefa nahazo kosa, hoy ny hafa dia izay no zava-dehibe. Ho an'ny mpitazana, dia saika nitoetra teo anivon'io andrim-panjakana iray ny fanaovana zanak' ikala hafa. Soa fa voasoroka mialoha izany. Tsy dia hita taratra eo (...)
  • Ankizy hianatra any ivelany

    Inona no fomba nitsongana azy ireo ?

    mercredi 6 août 2008 | Naivo kely |  1222 visites
    Ny eo tonga ny hafa lasa. Fanomezana lanja lehibe ny tanora Malagasy ny fandefasana ireo ankizy miisa 26 andeha hianatra any Etazonia indray. Omaly no noraisin'ny filoha Ravalomanana notsifiny rano ireto mpianatra ireto. Sampam-pianarana maro no ho ataon'izy ireo any. Aharitra efa-taona ny amitany izany fianarany izany. Efa nisy ny nalefan'ny fanjakana Mlagasy nianatra tany teo aloha, ary ireny niarahana nahita ireny ny fandraisana makotroka natao teto antanindrazana. Maro amin'ny mpianatra (...)
  • Teny zato, kabary arivo

    Aza miandry dokafana

    mardi 5 août 2008 | Naivo kely |  635 visites
    "Variana manao vaovao samy hafa, fa tsy ny asa vitan'ny fitondrana no tanisaina". Mahalasa saina ny maro ny hevitry ity olom-boafidy iray ity, nanakiana ny asa fanaovan-gazety. Toa hinian'ny sasany hamaivanina mihitsy ity asa iray ity, rehefa tsy mifanaraka amin'ny fomba fijeriny. Ny asa ataon'ny fanjakana, dia saika efa mahazo sehatra isan'andro amin'ireo haino aman-jerim-panjakana sy ireo izay tsy maintsy mivoy izany isan'andro. Moa tsy efa mahazo vahana, ary mila hakalilo sofina sy maso (...)
  • JIRAMA

    Manjifa ny mpanjifa

    samedi 2 août 2008 | Naivo kely |  665 visites
    Be ny ho tapaka jiro sy rano ato ho ato. Tsy ny vola no tsy misy any amin'ny mpanjifa, fa ny ankivy ataon'ny mpiasa ao amin'ny Jirama sasantsasany no tsy laitra. Niainga tamin'ireny grevy nataon'ny mpiasa ireny ka hatramin'izao, dia mbola olana hatrany no mianjady amin'ny vahoaka. Tsy tonga ara-dalàna ny faktiora, ka ny mpampiasa jiro sy rano no miezaka manatona ny foiben'ny Jirama akaiky azy maka io faktiora io. Tsy misy ihany koa ny fijerena ny lanin'ny mpanjifa any an-trano. Terena (...)
  • Aleo hilamina dia misesy

    samedi 2 août 2008 | Naivo kely |  608 visites
    Ny kibo tsy mba lamosina ary ny tsinay tsy mba vatsy. Tsy maintsy mitady izay ho arapaka isan'andro, ka ny lafiny politika aloha no najanona. Maro tamin'ireo mpitarika antoko teto Madagasikara no nivadika any amin'ny sehatry ny fandraharahana. Rehefa tsy nahatafita ny fanaovana politika dia aleo aloha mibizina hamelomana vady aman-janaka. Kandida nandritra ireny fifidianana maro nifanesy ireny no nandao ny sehatry ny politika. Ny tsy azo lavina dia maro no nahazo tolotr'asa tamin'izao (...)
  • Tsy mankaiza fa mitaiza

    vendredi 1er août 2008 | Naivo kely |  630 visites
    Manomboka ny fialan-tsasatra. Samy mandeha amin'izay maha-mety ny fiainany avokoa ny tsirairay. Maro no mandeha any amin'ny faritany, ary tsy vitsy no miakatra eto andrenivohitra. Tsy vitsy ihany koa ireo mandeha any ampita. Ny tsy afa-miala amin'ny fivelomanana isan'andro kosa dia tsy maintsy mitady ny harapaka anio. Ilain'ny vatan'olombelona anefa ny fialan-tsasatra, ary tokony hanao izany ny rehetra, saingy tsy mankaiza fa mitaiza hoy ny fomba fiteny izay rehefa tsy ampy ny ho (...)
  • Sakafo amoron-dalana

    Hifandrombahana na maloto aza

    vendredi 1er août 2008 | Naivo kely |  836 visites
    Ny hafeno ny kibo no tanjona. Tsy jerena intsony ny fahadiovana fa rehefa mihinana dia izay. Mora rahateo ny vidiny, satria misy roanjato ariary ny iray vilia. Misy didin-kena kisoa manify iray, mifangaro anana na voamaina, dia efa milay. Sakafo amoron-dalana hita etsy sy eroa io. Amin'ny toerana be mpivarotra no ahitana azy ireny, ary mazana ireo olona sahiran-kirana eo amin'ny lafiny fivelomana no tena miletra azy io. Misy ihany koa anefa ireo mivarotra anaty fiara, izay hita fa madio, (...)
  • Mandroso mihemotra

    Mitsabo ny efa noratraina lava

    jeudi 31 juillet 2008 | Naivo kely |  726 visites
    Any ivelany indray ny filoha Ravalomanana. Midinika momba ny ahasoa ny firenena, ka isan'io ilay fiverenana indray amin'ny Asecna. Ity sehatra iray ity izay nambara taona vitsy lasa izay, fa hisintaka ao anatin'io isika rehefa tsy mitovy ny fomba fijery. Volam-panjakana maro no lany amin'izao dia izao, satria tsy moramora ny asa atao mba hiverenana amin'ny efa naloa. Faty antoka hatrany no hita amin'ny fanampahan-kevitra maimaika izay natao teto amin'ny firenena hatramin'izay. Isan'io ny (...)
  • Soa fa teo ny « friperie »

    jeudi 31 juillet 2008 | Naivo kely |  854 visites
    Fahorian'ny hafa, hafaliana ho an'ny sasany. Feno olona mitsongoloka eran'ny arabe. Mividy ankajo "friperie" (fripy) ireny. Tsy hanavahana sarangan'olona, fa izay mba manana vatsy ara-bola kely dia efa io hita miondrika etsy eroa. Mitobaka eto amintsika ankehitriny ny lamba fripy. Hita eny ihany koa na ny kiraro, sy izay afahan'ny olona mihaingo. Mora ny vidiny, ary hita fa mbola tsara. Mahatoraka ny fitafy vaovao. Vitsy izany olona mivoron-kitsay izany, satria miainga amin'ny 200 ariary, (...)
  • Mety ho fasika i Ivato

    mardi 29 juillet 2008 | Naivo kely |  770 visites
    Tsy mety miravona, fa disadisa hatrany. Io no tsapa amin'ny fihetsiky ny ben'ny tanàna eny Ivato Aéroport sy Ivato Firaisana. Resaka ady tany hatrany no fototry ny olana. Ny herinandro teo no voalaza fa nikasa hanangana tamboho sy hanampy ny trano hiasany ny ben'ny tanàna ao Ivato Firaisana. Tsy nanaiky izany ny ankilany, ka velona teo ny gidragidra . Niditra an-tsehatra ny sefo Distrika ao Ambohidratrimo. Niravona vonjy maika ny raharaha nanomboka teo. Ny sabotsy teo anefa dia raikitra ny (...)
  • Fikarohana

    Mahay fa tsy ampy vola ny Malagasy

    mardi 29 juillet 2008 | Naivo kely |  659 visites
    Miasa tsara, dia miasa mafy. Tsikaritra io raha ny resaka fikarohana eto Madagasikara. Be manam-pahaizana ihany koa ity firenena ity, ary aoka tsy ho gaga isika raha hifandrombahan'ny vahiny ny mividy ny asa fikarohany. Ny resaka fahasalamana, dia vao tsy ela ireo mpikaroka no nanambara fa mahita ny fanafody fanefitry ny SIDA. Nanaitra ny tany ivelany ireny, na dia mbola tsy rototra amin'izany aza isika. Ny sehatry ny angovo, dia efa faritra maro no mampiasa herinaratra amin'ny alàlan'ny (...)
  • Fanabeazana

    Tsy avela ho metisy fiteny ny zaza Malagasy

    mardi 29 juillet 2008 | Naivo kely |  702 visites
    "Handray ny andraikitra tandrify anay izahay TEZA", hoy ny loholona Moxe Ramandimbilahitra. Tojo ny tanjona nirianay izahay ny momba ny hampidirana ny teny Malagasy ho teny ho enti-mampianatra. Midika izany, fa hifanome tanana amain'ny fanjakana, mba hampanjary ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara ny antoko misy anay. Hampivoitra ny fanahy maha-olona, ary hamerina ny hasin'ny Malagasy io fiovan'ny politikan'ny fampianarana io. Tsy tokony hipetraka ny ahiahy amin'ny fidirana amin'ny (...)
  • Maty vao ramalala

    lundi 28 juillet 2008 | Naivo kely |  1137 visites
    Nifampitsetsetra avokoa ny mpanao politika rehetra. Io no hita tamin’ny nahafatesan’ingahy Herizo Razafimahaleo. Ny mpanao politika nitovy hevitra taminy tao amin’ny mpanohira, dia tsy olana ny fomba falazany momba ny asa nataony. Ny nanaitra, dia ireo tsy nitovy fomba fijery taminy aza dia nanambara fa olona tokony nomena sehatra goavana teo amin’ny raharaham-pirenena izy. Manana ny fahaiza-manaony ity lehilahy ity hoy ireo. Tokony noraisina ihany koa ny hevitra natolony, fa tsy natao (...)

0 | ... | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180 | 200 | 220 | 240 | ... | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS