Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 02h54
 

Malagasy

JIRAMA

Manjifa ny mpanjifa

samedi 2 août 2008 |  665 visites  | Naivo kely

Be ny ho tapaka jiro sy rano ato ho ato. Tsy ny vola no tsy misy any amin’ny mpanjifa, fa ny ankivy ataon’ny mpiasa ao amin’ny Jirama sasantsasany no tsy laitra. Niainga tamin’ireny grevy nataon’ny mpiasa ireny ka hatramin’izao, dia mbola olana hatrany no mianjady amin’ny vahoaka. Tsy tonga ara-dalàna ny faktiora, ka ny mpampiasa jiro sy rano no miezaka manatona ny foiben’ny Jirama akaiky azy maka io faktiora io. Tsy misy ihany koa ny fijerena ny lanin’ny mpanjifa any an-trano. Terena hifanaraka amin’izay laninao teo aloha ny vola aloha manaraka.

Ny vola anefa rano

Maty antoka izany ilay mpanjifa raha toa ka kely ny fandaniana natao. Ny tena mampalahelo, dia maro ireo asain’ireto mpiasa ireto miverina afaka iray volana raha vao mba maka ny faktiora lany tamin’ny volana ambony. Tonga indray ny iray volana manaraka, dia voalaza fa efa tara ianao, ka afaka iray volana indray miverina. Olona handoa vola fa tsy hitrosa no atao toy izany. Ny vola anefa rano ka mandalo dia lasa. Ho maro amin’ny mpanjifa no hiaina ao anatin’ny haizina sy loto rehefa tsy ho voaloha ny volan’ny Jirama. Tsy fahadisoana avy amin’ny vahoaka anefa izao, fa fanapotehina ny maro ataon’ireto mpiasa ireto. Mila fandraisana fepetra haingana ny toy izao, satria fananam-panjakana ny orinasa fa tsy fananam-pianakaviana. Sa izao no atao hoe fanovàna misy eo amin’ny Jirama ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS