Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 21 septembre 2024
Antananarivo | 00h10
 

Malagasy

Ankizy hianatra any ivelany

Inona no fomba nitsongana azy ireo ?

mercredi 6 août 2008 |  1225 visites  | Naivo kely

Ny eo tonga ny hafa lasa. Fanomezana lanja lehibe ny tanora Malagasy ny fandefasana ireo ankizy miisa 26 andeha hianatra any Etazonia indray. Omaly no noraisin’ny filoha Ravalomanana notsifiny rano ireto mpianatra ireto. Sampam-pianarana maro no ho ataon’izy ireo any. Aharitra efa-taona ny amitany izany fianarany izany.

Efa nisy ny nalefan’ny fanjakana Mlagasy nianatra tany teo aloha, ary ireny niarahana nahita ireny ny fandraisana makotroka natao teto antanindrazana. Maro amin’ny mpianatra Malagasy no te-handrato fianarana any ivelany, ary tsy vitsy no nametraka fanontaniana ny fomba nitsongaina ireto mpianatra ireto. Mino isika fa ho fantatra tsy ho ela izany, satria hafa ihany izany mandrato fianarana any ivelany izany hoy ny mpianatra sasany.