Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 15h07
 

Malagasy

Tanora sy ny raharaham-pirenena

Mitady ny FFKM sy ny olon-kendry

mardi 19 août 2008 | Naivo kely

Mila averina ny hasin’ny fianankaviana sy ny firenena. Fanehoan-kevitra entin’ny vondron’ny tanora mpandala ny raharaham-pirenena io, izay ingahy Razafimandimby Jean Batiste no filoha mitarika izany.

Tao anatin’ny fanadihadiana ny trangan-javatra misy eto Madagasikara no nahatonga azy ireo haneho hevitra.

Tsapa eto amintsika fa manjaka ny herisetra, ary mihanaka ny zava-mahadomelina. Toy izany koa ny varo-toaka sy ny fivarotantena. Miady amin’ny fahantrana isika, nefa ny fngalarana sy ny vono olona no heverin’ny sasany fa hitadiavan-karena. Io dia miteraka ny fahasimban’ny fiaraha-monina eny anivon’ny vahoaka, satria tsy mifam-patoky intsony ny rehetra. Simba ny fiaraha-monina tany aloha, izay nanjakan’ny fihavanana, fifananjana, fifanampiana, ary fifandeferana. Toa lany andro ilay kolontsaina Malagasy, satria herisetra andro aman’alina no heno.

Mihazakazaka isika amin’ny filazana fa fampandrosoana haingana sy maharitra. Ny tsapa anefa hoy ity fikambanana iray ity, dia ny zava-boitan’ireo tany matanjaka tao anatin’ny 100 na 200 taona no heverintsika ho vitaina ao anatin’ny 5 taona. Ny maika izao, dia fampandrosoana mirindra, handamina ny fianam-bahoaka, toy izay fampandrosoana haingana, ka mety hanimba nyfiharian’ny madinika.

Tsy haraky ny eo ampelan-tanana intsony, ny fiakatry ny vidim-piainana, ka tsy ho gaga isika raha maro no mivarotra amoron-dalana, sitrany ahay mba vaza mihetsika. Midagana toy izany ny hofan-trano sy ny Jirama. Ilainany hisian’ny fifampihainoana eto amin’ny firenena hoy ireto tanora ireto, mba mora ahitana ny marimaritra iraisana haingana. Tokony haneho ny heviny ny FFKM sy ireo olon-kendry rehetra, fa tsy sanatria hangina eo anatrehan’ity fitsokan’ny rivotra manamaloka ny fianam-bahoaka ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS