Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 02h54
 

Malagasy

Fikarohana

Mahay fa tsy ampy vola ny Malagasy

mardi 29 juillet 2008 |  659 visites  | Naivo kely

Miasa tsara, dia miasa mafy. Tsikaritra io raha ny resaka fikarohana eto Madagasikara. Be manam-pahaizana ihany koa ity firenena ity, ary aoka tsy ho gaga isika raha hifandrombahan’ny vahiny ny mividy ny asa fikarohany. Ny resaka fahasalamana, dia vao tsy ela ireo mpikaroka no nanambara fa mahita ny fanafody fanefitry ny SIDA. Nanaitra ny tany ivelany ireny, na dia mbola tsy rototra amin’izany aza isika. Ny sehatry ny angovo, dia efa faritra maro no mampiasa herinaratra amin’ny alàlan’ny rian-drano mandalo ny tanàna. Manome hazavana ny tanàna maro ao anatin’ny kaominina ny toy izany. Maro ireo asa heverina fa vitantsika, saingy mazàna ny fanohanana ara-bola no tsy misy. Zary mijanona ho fikarohana fotsiny ireny, fa tsy misy fitohizany. Rehefa tsy tojo tamin’ny fikarohana nataony ilay manam-pahaizana, dia mivadika zavatra hafa. Miainga eo indray ny fikarohana ataony. Ny fotoana lany, ary raha mbola tsy misy indray ny mamatsy vola amin’io fikarohana io, dia naman’ny mandeha ila ihany izany. Zary ny mivarotra ny asa fikarohana nataony sisa no mba hany fara-heriny, ka zary izy ireny no mahazo vahana amain’ny hasasaran’ny hafa. Maro tamin’ireo mpikaroka teto no nivondrona mba hisambotra vola tany amin’ny banky, na ny mpamatsy vola vahiny, saingy hatraiza ny fikirizana nataon’ireto mpikaroka ireto ? Tsy tokony ahataitra ny rehetra, raha mikaroka làlana ho any ivelany izy ireo, satria any no azony antoka fa ahatafavoaka amin’ny tsaratsara kokoa ny fiainany. Miasa tsara, ary miasa mafy. Hijanona ho teny filamatra fotsiny ve ireny, sa hisy fanampiana matotra ny mpikaroka malagasy ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS