Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 09h53
 

Malagasy

Mandroso mihemotra

Mitsabo ny efa noratraina lava

jeudi 31 juillet 2008 |  726 visites  | Naivo kely

Any ivelany indray ny filoha Ravalomanana. Midinika momba ny ahasoa ny firenena, ka isan’io ilay fiverenana indray amin’ny Asecna. Ity sehatra iray ity izay nambara taona vitsy lasa izay, fa hisintaka ao anatin’io isika rehefa tsy mitovy ny fomba fijery.

Volam-panjakana maro no lany amin’izao dia izao, satria tsy moramora ny asa atao mba hiverenana amin’ny efa naloa.

Faty antoka hatrany no hita amin’ny fanampahan-kevitra maimaika izay natao teto amin’ny firenena hatramin’izay. Isan’io ny nidirantsika tamin’ny « détaxation ». Iza tamin’ny Malagasy no nahazo tombony tamin’ireny ? Nisy tokoa ny tombony, saingy ny mpanam-bola no botrefona tamin’izany. Tsy mba nisy ny fiarahana midinika tamin’ny tompon’andraikitra isan-karazany, fa teny am-pikabariana tao Antsirabe no nivoaka tampoka ny baiko. Sanganehana ny maro tamin’izay. Roa taona tato afara tsy nahomby io, ka niverina tamin’ny fanapahana noraisina.

Tsy zoviana amin’ny maro ihany koa ity resaka Asecna ity, ary io mandamina ny resaka atsy Gabon io ny filoha. Soa fa nilamina. Nirahana nahita ihany koa ny fandravana ny federasiona ny baolina kitra farany teo. Naverina tamin’ny laonina indray andro vitsy tato aoriana.

Mahamenatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny toy izao. Tsy tokony entina amin’ny tendro-po ny raharaham-pirenena. Isika ihany no mamela ratra hotsabointsika ao afara. Ny manarina azy toy izao no olana. Izay no mbola hangatahan’ny sehatra maro eto amintsika ny hisian’ny fifampidinihana maika. Ny fifanakalozan-kevitra no làlana iray hivoahan’ny finihavan’ny rehetra amin’ny fampandrosoana. Raha io no tanteraka hatramin’izay, mety efa tany amin’ny sehatra tsaratsara kokoa noho izao no misy ity nosy mahantra ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS